Alerte Infos

Andravoahangy tsena – Nampiseho fifankatiavana ny mponina sy ny Pds Edgard Razafindravahy

Lundi 15 Avril 2013

Andravoahangy tsena – Nampiseho fifankatiavana ny mponina sy ny Pds Edgard Razafindravahy
Nitafa tamin’ny mponina mivantana teny Andravohangy tsena ny Pds-n’Antananarivo renivohitra, Razafindravahy Edgard sy ireo mpiara-miasa taminy.

Nifety sy niara-nifaly tao anatin’ny fifankatiavana ny andaniny sy ny ankilany, notronin’ireo delegasiona mafonja avy amin’ny « Région île de France ». Ity farany no isan’ny namatsy vola ny fanamboarana ireo toeram-pitsangatsangana mahafinaritra.
« Tsaroako tsara ianareo taona vitsy lasa izay, raha tonga tety ny tenako dia nangataka ny hanatsarana ny manodidina io lakandrano io ianareo. Tsy maintsy misy anefa ny famatsiam-bola rehefa manao fotodrafitrasa ka nilàna faharetana niandry izany. Vita ny asa ankehitriny noho ny fiarahantsika rehetra nifanome tanana. Mino sy matoky aho fa raha isaky ny fokontany no misy tahaka izao dia ho tonga ny tanjona hampandrosoana ny tanànantsika », hoy Razafindravahy Edgard.

Niova endrika

Vita tsara maha te honina ny manodidina ny lakandrano eny Andravoahangy tsena. Nisy ihany koa ny fanamboarana toeram-pivoahana. Lasa toeram-pitsangantsanganana mahafinaritra ilay toerana izay feno loto sy fivoahan’ny olona teo aloha.

Niantso ireo mponina mba hanaja ny fotodrafitrasa ny filoha lefitry ny Région île de France, Romero Roberto, raha nandray fitenenana teny Andravoahangy-tsena ihany koa omaly. « Izahay mandalo ihany fa ny zava-bita mijanona ho anareo. Tandrovy sy kojakojay tsara izy ireo », hoy izy.

« Aoka mba tsy hanarinary fako eny rehetra eny fa isika ihany no mizaka ny voka-dratsy amin’izany. Isika rehetra miaraka no afaka manana tanàna misy hasina ary ho ahy manokana dia fitiavana ny tanànan’Antananarivo no nanekeko hitantana azy », hoy ny Pds teo am-pamaranana ny lahateniny.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar