Alerte Infos

Antsampanahy 14 Desambra 2013 - Amboarampeo Washington DC

Mercredi 18 Décembre 2013

Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny Asabotsy 14 Desambra 2013 lasa teo ny Antsampanahy lehibe izay natao ho fiderana sy fankalazana ny nahaterahan’ilay Mesia Mpamonjy sy Mpanavotra nokarakarain’ny Amboarampeo Washington DC.
>cliquez sur la photo pour voir l'album !

Na dia tao aza ny andro ratsy noho ny filahatsahan’ ny ranomandry dia tsy nanakana ny olona ho tonga maro be izany. Ary betsaka ary ireo olona tonga avy lavitra nanotrona azy ireo, na Malagasy izany na vahiny tsy mahafoy an’I Madagasikara.

Nandona ny fon’ny olona ny fankalazana ny Krismasy nataon’ny Amboarampeo Washington DC satria dia nahitana gadon-kira maro samihafa toy ny hira ba-gasy narahina Valiha sy ny korintsana; ary ny hira Klasika izay hiran’ireo mpamoronkira malaza izay nataon’izy ireo tao toy ny hiran’I Antonio Vivaldi, Georges Frideric Handel, Wolfgang Amadeus Mozart, sy John Rutter.

Teraka tao am-pon'ny maro tokoa zany, ary irian’ny Amboarampeo Washington DC, ho teraka ho ao am-ponao koa, amin'izao akatokin'ny Noely 2013 izao

Nony vita ny Antsampanahy dia nitohy tamin’ny Gala Evangelique izay nandraisan’ireo ankizy, tanora, ray aman-dreny mpiara-monina ao Washington DC anjara.

Ny Amboarampeo Washington DC dia Antoko Mpihira ao anatin’ny “Fiangonana Malagasy Kristiana Washington DC” izay fiangonana iraisam-pinoana ao Amerika Avaratra.

Mirary Krismasy sambatra feno ny fiadanan’ny Tompo ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra ny Amboarampeo Washington Dc ary misaotra ny Madaplus amin'ny fiaraha-miasa.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra irery ihany!

Amboarampeo Washington DC

**Photo credit to Jani DJ Photography


N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar