Communiqués

Association des Membres de la Paroisse d’Amparibe à l’Extérieur: Zanaka Am-Pielezan’Amparibe-Famonjena aty Ampita

Mercredi 30 Mai 2012

Fotoam-pivavahana sy fihaonana
Eglise Réformée de l’Oratoire du Louvre – Paris
145, rue Saint-Honoré (Métro : Palais Royal)

Alahady 3 jiona 2012 amin'ny folo ora sy fahefany (10h15)


31 Martsa 2012

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ny Tompo.


Tahaka ny fanaontsika isan-taona dia hiaona sy hiara-hivavaka amin'ny Eglise Réformée de l’Oratoire du Louvre-Paris indray isika amin’ny Alahady 3 Jiona izao, amin'ny folo ora sy fahefany (10h15).


Izany no hatao dia ho fanamafisana ny fiarahan’ny fiangonana roa tonta miasa ary koa ho fanamafisana ny firaisan-kina eo amin'ny Zanaka Am-Pielezana Amparibe sy ny mpiangona ao amin'ny Oratoire du Louvre.

Ao aorian’ny fotoam-pivavahana dia hisy fiaraha-misakafo malagasy ao amin'ny akanin’ny fiangonana 4 rue de l’Oratoire, rihana faharoa.


Hiangaviana isika izay hanatrika ny sakafo mba hisoratra anarana ary hamaly an’ity email ity any amin'i Hery Rabefitia (tovohery.rabefitia@orange.fr) alohan’ny 27 mey.

Ao aorian’ny sakafo dia hanao ny fivoriam-be isan-taona ny Fikambanan’ny Zanaka Am-Pielezan’Amparibe-Famonjena aty Ampita

Dia manantena ny fahatongavantsika rehetra.

Jereo matetika ny site internet ny fiangonana (http://amparibe.famonjena.free.fr/index.htm) hazahoana vaovao mikasika ny fiangonana, sy ny Zanaka Am-Pielezan’Amparibe-Famonjena aty Ampita. Ary izay mbola tsy nanao izany dia homeo an’i Hery Rabefitia (tovohery.rabefitia@orange.fr ) ny adiresy email mba hafahana mifandray sy mifampita hafatra.


Ny Filoha : Jaona Ravaloson


Ny mpitam-bola : Francky Andrianasolo


Ny mpitan-tsoratra: Hery Rabefitia


Ny mpanolo-tsaina : Samuel Rajaofetra, Philippe Rajaona, Nanie Ravaloson, Kristelle Rajaofetra, Nary Andriamahatana, Rindra Rakotoarivony, Clara Ramanantsalama, Holy Raveloarisoa, Christiane Ralibera, Naivo Ramanambelo




" L'Association des Membres de la Paroisse d’Amparibe à l’Extérieur" invite tous les enfants de l'Eglise FJKM d'Amparibe à venir à l'Oratoire du Louvre pour un culte commun avec l'Eglise Réformée de l’Oratoire du Louvre le dimanche 3 juin à 10h15. Le culte sera suivi d'un déjeuner et de l'assemblée générale annuelle de l'association.

Adresse: Eglise Réformée de l’Oratoire du Louvre – 145, rue Saint-Honoré - Paris 1er (Métro : Palais Royal)

Email pour toute info et pour inscription au déjeuner avant le 27 mai : tovohery.rabefitia@orange.fr ".
Vola Rasoamanana

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar