Communiqués

Biraon'ny Sendikan'ny Mpanao Mozika Malagasy sampana Toliara

Mardi 9 Avril 2013

Biraon'ny Sendikan'ny Mpanao Mozika Malagasy sampana Toliara
Ho fanomezan-danja sy ho fampiroboroboana ny kolontsaina fa indrindra ny mozika dia nanapa-kevitra nikarakara festival de musique nanomboka t@ taona lasa (festival Antsairy Lohariake andiany voalohany) ny biraon'ny Biraon'ny Sendikan'ny Mpanao Mozika Malagasy sampana Toliara.

Biraon'ny Sendikan'ny Mpanao Mozika Malagasy sampana Toliara
Amin'ny maha andiany voalohany azy izay moa dia santatra am-bavarano ka mbola tsy tratra ny tanjona. Isan'ny nanome voninahitra izany ny Minisitra sy ny DG n'ny Ministeran'ny Kolontsaina, ny DIRCAB, Ministeran'ny Tourisma, ny Coordo ny ady @ pirate, ny Tale OMDA, ny SG n'ny Sendikan'ny Mpanao Mozika Malagasy sy ny mambra ny birao vitsivitsy niaraka taminy, DG communication, sy ireo olo-manan-kaja avy etoToliara.

Hikarakara ny Festival ANTSAIRY LOHARIAKE andiany 2 izahay ny 31 juillet ka hatr@ 04 Aogositra 2013 izao. Miompana @ Tsapiky indray ny lohahevitra hovoizina @ ity andiany faharoa ity : atrik'asa sy famelabelaran-kevitra momba ny tantaran'ny gadona Tsapiky, ny fisiny sy ny fivoarany. Hisy araka izany ireo Conférencier hamelabelatra sy hampahafantatra momba izany tsapiky izany. Hisy araka izany ny podium sy concours Tsapiky.

Koa am-panajana no anasanay sy anagatahanay fiaraha-miasa sy fanohanana avy aminareo aty ampita dranomasina na an-kolaka na mivantana momba ireto zavatra manaraka ireto:

1- Ny fahatongavanareo hanome voninahitra sy handray anjara raha azo ato momba ny atrik'asa, na an-tsehatra na fitsarana fifaninana.

2-Fandraisana anjara biriky @ fanohanana mivantana na fitediavana sponsoro

3-Fampahafantarana sy fanaparitahana araka izay azo atao ny hetsika @ site na facebook

Efa indro mipaingotra ny dossiers manazava @ antsipiriany ny hetsika ho an'izay te-hahafantatra sy mba afaka hanohana.

Misaotra mialoha sahady @ fiaraha-miasa.

RARIVOSON Daudet Delly (Groupe DAUDET RV 306)
Chef de Service de la
Communication et de la Radio
Universite Toliara
SG n'ny SENDIKAN'NY MPANAO MOZIKA MALAGASY SAMPANA TOLIARA
034 04 762 65 / 033 28 945 45 / 032 04 563 52
N.R.

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar