Infos Diaspora

CANADA: Vita soamatsara ny SORATONONINA andininy faharoa.

Lundi 12 Septembre 2016

Sary Bary Randresy
Sary Bary Randresy
Fisaorana avy amin'ny fikambanana Diaspora Malagasy ao Kanada.

Sary Bary Randresy
Sary Bary Randresy
Tontosa soa aman-tsara ny Soratononina kanada koa dia isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin' izany.
Isaorana ireo nanaiky hiaraka hanolotra izany dia ny fikambanana Kolo Malagasy any France, ny Rsm Québec, ny ASD-CQM, ny FIMPIMA Kanada, ny Sekoly Malagasy eto Montréal ary ny fikambanana Malagasy Diaspora Canada.

Sary Bary Randresy
Sary Bary Randresy
Isaorana koa ireo mahalala tanana nanolotra loka tamin’ izany: ny Masoivohon'i Madagasikara eto Kanada, ny fikambanana Kolo Malagasy, ny boutique “Qui dort dine”, ny société Marclan Madagascar, ny Fondation Jeanne Forest, ny mpanoratra Fredy Jaofera ireo olona samihafa tamin’ny anarany manokana, ny fikambanana Malagasy Diaspora Canada.

Isaorana manokana koa ny tranokala www.madaplus.info izay mampita ny vaovao.

Sary Bary Randresy
Sary Bary Randresy
Ireto no nandresy tamin’ ity Soratononina andiany faharoa teto Kanada ity:

SOKAJY ANKIZY:
1/- RAJERISON Voahary estelle.
2/- ANDRIAMANDRANTO Andi-Tiana.
3/- RANDRIANANTENAINA Harenasoa Lauréane.

SOKAJY OLON-DEHIBE
1/- RAZAFIMBAHOAKA Lalao.
2/- MAMIFARANANAHARY Emma.
3/- RAKOTONANAHARY Salohy.

Sary Bary Randresy
Sary Bary Randresy
Any Ottawa indray ny andiany faha-3 amin’ny Soratononina Kanada @ 2017.
Hitohy any USA ihany koa ny lalao aoriana kely.

Mankasitraka ny rehetra izahay ato amin’ny fikambanana Diaspora Malagasy eto Kanada.

Vola Rasoamanana

Infos Diaspora | Brèves Madagascar