Alerte Infos

CUA - Fizarana kilalao – Nampifety ireo olona sahirana ny kaominina Antananarivo renivohitra

Mercredi 26 Juin 2013

CUA - Fizarana kilalao – Nampifety ireo olona sahirana ny kaominina Antananarivo renivohitra
Tsy diso anjara ireo sahirana. Dihy sy hira no nanakoako tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly.

Fotoana natokan’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) nampifaliana ireo mpiray tanàna aminy tamin’io. Samy nahazo ny anjara fanomezany na lehibe na ny kely.

Noho ny fiaraha-miasan’ny Cua sy ireo tsy miankina (3P) no nahafahana nanao ny fety. Ankizy sahirana teo amin’ny 1 100 manerana ny Boriborintany enina no notolorana kilalao sy vatomamy. Fianakaviana sahirana 400 kosa indray no nomena vary sy menaka ary paty. Tsy diso anjara ihany koa anefa ireo zokiolona efa misotro ronono miisa 80 tamin’ny alalan’ny vary sy menaka, bodofotsy ary Ar 20 00 isan’olona.

« Natao ho an’ny vahoaka ny Lapan’ny tanàna, ary tsy vita ny hitety ny tokantrano tsirairay, ka tsara ny mifanatri-tava ety. Fiaraha-miasa amin’ny zanaky ny tanàna no ahafahana manao izao. Tokony mba samy hanampy ny hafa koa ny tsirairay. Fetim-pirenena izao ka tokony havela mihitsy aloha ny resaka politika na izany aza fotoana tokony hahatonga saina ny mpanao politika izao, ka tsy tokony hampisehoan’izy ireo fitiavan-tena intsony. Raha ny fifidianana Filoham-pirenena no miteraka olana sy mampikatso ny firenena dia tokony hijerena fomba hafa hamahana an’izany« , hoy ny lahatenin’ny Pds-n’Antananarivo, Razafindravahy Edgard tetsy Analakely, omaly.

Isan’ny nifanampy tamin’ny Cua ny orinasa Etrad sy ny Cspin. Ankoatra ny fizaràna fanomezana dia nanolotra sainam-pirenena ho an’ny ankizy koa ny Cua. Mba hananan’ny ankizy fanantenana hanasoa ny taniny no nambaran’ny Pds fa anton’izany. Valim-pitia nanentana ireo olona omaly koa no hitandrovana ny tanàna madio sy milamina.

LR / (source : aoraha.com)

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar