Alerte Infos

Commémoration des 60 ANS de l'UPEM - HAVATSA - Samedi 23 février - Paris (15ème)

Lundi 25 Février 2013

Commémoration des 60 ANS de l'UPEM - HAVATSA - Samedi 23 février - Paris (15ème)
La Section de France de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches (UPEM) a célébré ses 60 ans d'existence avec brio, dans une ambiance culturelle et chaleureuse. >cliquez sur la photo pour voir l'album

Commémoration des 60 ANS de l'UPEM - HAVATSA - Samedi 23 février - Paris (15ème)
Au programme, il y eut des chants et poésies d'hier et d'aujourd'hui ! Avec les Poètes et Artistes : Nanie, Riri RAMANDIAMANANA, SORAJAVONA, ERICKA E.

La soirée a débuté sur une conférence-débat avec en introduction une présentation de l'UPEM et son historique. Suivie d'une série de chants, poèmes, danses et le fameux Jijy ainsi que la réception et présentation des nouveaux membres.

Elle fut clôturée dans la joie avec le gâteau et une photo de groupe de toute l'assemblée ! (pour l'anecdote, Benjamin a dû monter sur une longue échelle empruntée à la hâte pour réaliser ce cliché !!)

A l'accueil, l'on pouvait profiter d'une expo-vente de livres et ouvrages littéraires Malagasy, d'arts malagasy et des délices de la chocolaterie Robert.

Bravo et longue vie à l'UPEM - HAVATSA !

HAVATSA-UPEM 60 TAONA ! Fankalazana teto Frantsa

Azo lazaina fa nahomby ny fotoanan'ny kanto sy ny fifaliana.

Nahaliana sy nahafinaritra tokoa ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny HAVATSA-UPEM nataon'ny Sampana Frantsa tao Parisy ny sabotsy 23 febroary 2013 teo. Niantomboka tamin'ny valan-dresaka momba ny niforonan'ny Union des Poètes et Ecrivains Malgaches sy ny anton'io anarana io ny fotoana. Fa nialoha izany dia niarahaba ny Fikambanana ny Chargé d'affaires ao amin'ny REPERMAD-UNESCO, Atoa Ny Toky Andriamanjato izay nanotrona ny fotoana niaraka tamin-dRamatoa vadiny. Avy eo dia narahan'ny mombamomba ny filoha mpanorina Régis RAJEMISA RAOLISON. Noresahina indray ny niforonan'ny Sampana Frantsa, notovanan'ny mombamomba ny filoha mpanorina azy, F-X. Mahah, ary dia nofaranana tamin'ny lohahevitra : "21 febroary fankalazana ny Tenin-dreny, teny ibeazana" ny Valan-dresaka. Nitarika io valan-dresaka io : ny mpikambana Andrymann. Ireo mpandray anjara kosa : ny filoha F-X. Mahah, ny filoha lefitra Fredy JAOFERA ary ny sekretera jeneraly Hanitr'Ony.

Rehefa izany dia niroso tamin'ny fandraisana amin'ny fomba ofisialy sy fanasalorana ny SALOTRASINA ny mpikambana vaovao indray, ary koa ny fampahafantarana ny mpikambana 23 mianadahy ao amin'ny Sampana Frantsa, 12 mianadahy tamin'izy ireo no nanolotra io takariva mahafinaritra ho an'ny mpijery io. Izay ny ampahany voalohany.

Ny ampahany faharoa kosa dia FAMPISEHOANA niandoha tamin'ny JIJY notaritin-dRamatoa ERICKA ERAMBERT izay narahan'ireto poeta nihira sy nirômbo (nitehaka). Atoa RIRI RAMANDIAMANANA no mpanolotra ity takariva miavaka ity, izay manan-talenta tokoa amin'izany. Nisesy amin'izay ny tononkalo sy ny hira, kalon'ny fahiny sy ny ankehitriny nifandimbiasan'ireo Poety : F-X. Mahah, Fredy Jaofera, Hanitr'Ony, Ny Kanto, Andamioly, Lalah, Andry Salomon, Antsiva, Andrymann, Nivohanta, Rani, ary Ramy Laza. Tonga teo ihany koa Rija Rakotomalala izay mpikambana ; sy ireo mpanakanto tena mahay miangaly : NANIE, RIRI RAMANDIAMANANA, SORAJAVONA, Vola Alice, Mée, Bruno Randrianantoanina ary Rolland Rajaonarivony.
Nientanentana, nitsiky, nanembonembona, nandeha nitsangantsangana nentin'ny tononkalo sy hira ny mpijery ! Nisy dihin'ny lafy valon'ny nosy koa nataon'izy ireo nanehoana ny kanto malagasy. Nahazo fy mihitsy ka dia afa-po e ! Farany dia niara-nandidy ny mofo fankalazana ny tsingerin-taona izy ireo, ary nizara ny mamy tamin'ny mpanotrona teo.

Tonga namaly ny fanasana olona maro sy fikambanana mpanandratra ny teny sy kolontsaina Malagasy, toy ny KOLO, FIMPIMA Sampana Frantsa, ny AIFM, ny AMANDIE, ny RNS, sns... ary singanina manokana Atoa Adrien Rakotonirina izay nampiantrano tao amin'ny FIAP ny lanonan'ny 30/04/2005 nandraisana tamin'ny fomba ofisialy ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa.

Rahoviana indray ary ny manaraka ?

Amin'ny fankalazana ny faha-zato taonan'i Régis Rajemisa Raolison indray, hono, afaka volana vitsy. Ny faha-zato taonan'i Dox koa dia mitohy mandavan-taona ary efa nanomboka tamin'ny 11 janoary 2013. Araho ary e ! Indreto ny sary :

Mirary soa,
Hanitr'Ony

FISAORANA :

NY HAVATSA-UPEM SAMPANA FRANTSA dia misaotra sy mankasitraka ary mankatelina ireo rehetra namana, sakaizan'ny haisoratra sy ny teny, mpijery, mpanakanto, poeta, mpikirakira ara-teknika, mpanao gazety, mpiandraikitra ny fampirantiana taozavatra malagasy sy boky malagasy, mpanohana sy mpankahery, tonga maro be nanotrona sy nanome voninahitra ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny HAVATSA-UPEM natao tao Parisy, ny 23/02/2013.
Takarivan-kanto nifampizarana soa sy mamy ary indrindra fanandratana ny haisoratra sy ny teny malagasy, nahatsiarovana ireo 15 lahy mpanorina tamin'ny 06/09/1952, ary ny nahatsiahivana ny fankalazana ny Tenindreny, teny ibeazana ihany koa.
Sitraka enti-matory, tompoko, ka hovalina raha mahatsiahy.
Saotra mamy tsy misy fiakany,
Telina tsy misy faikany, ianohana tsy misy fetrany : FISAORANA MITAFOTAFO!

Dia manao fotoana aminao indray ho an'ny fankalazana ny faha-100 taonan'i Régis RAJEMISA RAOLISON ihany koa izahay afaka volana vitsy. Ny jaobily faha-100 taonan'ny poety DOX karakarain'ny Terak'i DOX dia efa nanomboka tamin'ny 11/01/2013, ary mitohy.
"Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko". DI...1993).
HO ELA VELONA NY TENY SY HAISORATRA MALAGASY !

Ny Filoha F-X. MAHAH
Ho an'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa

Indreto avy :
Radio Echos du Capricorne, Radio Toko Telo, www.croissance.com, www.madatsara.com, www.madaplus.fr, www.vetso.serasera.org, www.akombaovao.com, Gazety Taratra, La Gazette de la Grande Ile, L'Express de Madagascar, Madagascar Tribune, REPERMAD UNESCO, A.I.F.M, KOLO, RNS, AMANDIE, FIMPIMA Sampana Frantsa, Hetsika Madagascar, RIRI RAMANDIAMANANA, NANIE sy Mickaël, Ny Tarika SORAJAVONA, ERICKA ERAMBERT, Vola Alice, Mée, Bruno Randrianantoanina, Rolland Rajaonarivony, Hugues RAMA, William Randrianjafiarison, Benjamin Blou Andriamanantsara, ireo namana ao amin'ny facebook, ny mpikambana rehetra HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa, Lucie sy Mahefa ary Hasina, Fredy Jaofera mivady nandray ny famerenana tao an-tokantranony, Pastera LAZA mivady nahazoana trano nanaovana famerenana tao Choisy-le-Roi, Fidy Loulou nanao ny mofomamy tena fy, ary INDRINDRA IANAREO MPIJERY nahafatra-po, tamàna hatramin'ny farany !

MANKASITRAKA TOMPOKO Ô !

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar