Communiqués

Communiqué de Dera Ramandraivonona

Vendredi 10 Décembre 2010

Communiqué de Dera Ramandraivonona
Miarahaba Tompoko,

Amin’alahelo lehibe no hilazana aminareo fa nodimandry, noho ny lozam-piarakodia tamin’ny talata 7 desambra 2010 alina, Itompokolahy TOJO RANDRIA RAZAFIMBOLA. Tovolahy tsy ampy telo polo taona akory izy, izao nipaohan’ny fahafatesana izao.

Nampitondra hafatra ahy ny fianakaviana mba hampandre an’izay tratrako antso.
Latsa-bato an-tànana ireo Ray aman-dreny; te hanangan-drindrim-bato, kinanjo narodan’ny fahafatesana. Manganohano ny maso, mamolivoly ny fo, latsaka anaty ny fahoriana. Nikoa ny fanantenana, nitsaha-pilàna ny faniriana, sentosento nombam-pokofoko sisa no hany azo natao fa lasa ilay nantenain-ko dimby, nafoy ilay nantenain-kanirina.

Tampoka dia tampoka ny nahalasanan'i TOJO. Hampodiana any an-tanindrazana ny nofony.
Ny erikerika maha-tondra-drano , ary ny entan-jarai-mora zaka, koa dia tsy misalasala izahay miantso antsika Malagasy mpiray tanindrazana hifanohana sy hifanampy. Isika tokoa mantsy no tànana miara-mandray, soroka miara-milanja, fo miara-misento amin’ny fahoriana tahak’izao.
Koa dia manao antso vonjy rano vaky, voin-kava mahatratra amintsika rehetra ny fianakaviana. Io ny adiresin'dRay-aman-dreniny handefasana ny chèque

Christian RANDRIA
29 Boulevard Chevalier de CLERVILLE
34200 SETE
Chèque à l’ordre de RANDRIA Christian.

Dia misaotra anareo mialoha amin'izay azonareo hatao. Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly avo zato heny, avo arivo heny tsy manam-pahataperana izay hataoanareo. Amin'ny anaran'ny fianakavian'i TOJO

Ramandraivonona Dera

Ho an'ireo izay te hanoratra any amin'ny fianakaviana , dia ity ny adiresy mailak'I Pasitera Christian Randria, dadan'i Tojo christian.ra@hotmail.frAsabotsy 11 Desambra 2010 @ 2 ora hariva

Temple Réformé - 1 rue Brueys -34000 Montpellier

FANOMPOAMPIVAVAHANA - FAMPAHEREZANA

Tojo RANDRIA RAZAFIMBOLA
nodimandry 7 Desambra 2010 noho ny lozam-piarakodia
Diakona FPMA Montpellier-Filoha tily
Mpikambana Birao Nasionaly Tily FPMA

Hoy

Ny ray aman-dreniny: Pasteur RANDRIA mivady
Ny iray tampo aminy: Mia & Mamitiana RAZAFINDRAIBE sy ny zanany
Valisoa RANDRIA RAZAFIMBOLA

"Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy" Gal 6:2
Pour ceux qui veulent aider, vous pouvez envoyer un chèque à l’ordre de RANDRIA Christian
Christian RANDRIA
29 Boulevard Chevalier de CLERVILLE
34200 SETE

Vola Rasoamanana

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar