Communiqués

Fiantsona Fihaonan'ny Zanaka Am-Pielezana Amparibe Aty-Ampita - Alahady 5 Jona 2016

Lundi 2 Mai 2016

Association des Membres de la Paroisse d’Amparibe à l’Extérieur
Zanaka Am-Pielezan’Amparibe- Famonjena aty Ampita

Fotoam-pivavahana sy fihaonana
Eglise Réformée de l’Oratoire du Louvre – Paris
145, rue Saint-Honoré (Métro : Palais Royal)
Alahady 5 Jona 2016 @ folo ora sy fahefany (10h15)

30 Aprily 2016

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ny Tompo.

Tahaka ny fanaontsika isan-taona dia hiaona sy hiara-hivavaka @ Eglise Réformée de l’Oratoire du Louvre-Paris indray isika amin’ny Alahady 5 Jiona izao @ folo ora sy fahefany (10h15).

Izany no hatao dia ho fanamafisana ny fiarahan’ny fiangonana roa tonta miasa ary koa ho fanamafisana ny firaisan-kina eo @ Zanaka Am-Pielezana Amparibe sy ny mpiangona ao @ Oratoire du Louvre.

Ao aorinan’ny fotoam-pivavahana dia hisy fiaraha-misakafo malagasy ao @ akanin’ny fiangonana 4 rue de l’Oratoire rihana faharoa.

Hiangaviana isika izay hanatrika ny sakafo mba hisoratra anarana alohan’ny 29 mey: ravaloson@hotmail.com

Ao aorinan’ny sakafo dia hanao ny fivoriam-be isan-taona ny Fikambanan’ny Zanaka Am-Pielezan’Amparibe- Famonjena aty Ampita

Amin’io fotoana io koa no hahantisarovantsika an’i Hery Rabefitia, Mpitantsoratrin’ny Fikambanantsika izay natsoin’ny Ray nody any aminy t@ 2 Aprily teo, sy hanotronantsika ny vady amanjanany.

Dia manantena ny fahatongavantsika rehetra.

Jereo matetika ny site internet ny fiangonana (http://www.fjkm-amparibe.org/) hazahoana vaovao mikasika ny fiangonana, sy ny Zanaka Am-Pielezan’Amparibe-Famonjena aty Ampita.

Ny Filoha : Jaona Ravaloson
Ny mpitam-bola : Francky Andrianasolo
Ny mpanolo-tsaina : Philippe Rajaona, Nanie Ravaloson, Kristelle Rajaofetra, Nary Andriamahatana, Clara Ramanantsalama, Holy Raveloarisoa, Christiane Ralibera, Naivo Ramanambelo

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar