Alerte Infos

Fifamoivoizana – Raikitra ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo

Lundi 15 Avril 2013

Fifamoivoizana – Raikitra ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo
Nanomboka tato ana-tin’ny andro vitsy izao ny fanamboarana ireo lalana simba eto an-drenivohitra. Ny kaominina Antanana­rivo renivohitra no miantoka ny vola ampiasaina amin’izany. 

Nambaran’i Zo Andriatsilavo, Tale teknika eo anivon’ny Cua fa ao anatin’ny roa volana no hanatanterahana izany asa momba ny fandrakofana tara ny lalana simba izany, araka ny toromarika avy amin’ny Pds Razafindravahy Edgard. “ Tokony efa ho vita ny asa any amin’ny faran’ny volana mey any, araka izay tokony ho izy fa tsy kitoatoa akory”, hoy iry tale iry.

Antony ara-teknika, dia ny firotsahan’ny orana, no nahatonga ny lalana tsy mbola nokitihina mihitsy aloha raha tsy izao efa manomboka miditra amin’ny main-tany izao isika. Ny fanamboarana efa mandeha, misy ihany koa ny lalana mihasimba, saingy nanome toky i Zo Andriatsilavo fa hanao ny ezaka rehetra ny Cua hampiasa ny fitaovana eo am-pelantanana mba hanatsarana hatrany ny lalana eto an-drenivohitra.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar