Communiqués

Fisaorana mitafotafo - HAVATSA UPEM

Jeudi 25 Septembre 2014

Fisaorana mitafotafo - HAVATSA UPEM
FISAORANA MITAFOTAFO no atolotry ny mpikambana HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa an'Atoa Salomon Charlot Andriamady nandefa ny sarin'ny fankalazana ny fahafolo taona ny Sampana Frantsa. Tsy ho azy irery anefa fa ho an'ny mpanotrona tonga maro koa na teo aza ny zava-maro nifanontona tamin'ny fotoana!

Ho an'ny REPERMAD/UNESCO niahy niaraka tamin'ny Masoivoho Malagasy eto Frantsa, sady tonga nanome voninahitra ny fankalazana sy nanolotra teny mamy fankaherezana Ramatoa Andrianina Bodosahondra Andriamanjato narahin'ny mpanolotsaina Atoa Andry Andriamampianina, ho an'ireo mpampianatra ao amin'ny INALCO/CROIMA tonga nanome lanja ny valandresaka Atoa Narivelo Rajaonarimanana sy ireo mpiara-miasa aminy , ho an' ny fikambanana Kolo Malagasy Rtoa Malala Razafijaonimanana, ho an'ny FIMPIMA Faritany Frantsa na tsy afaka tampoka aza ny solon-tenany saingy toy ny teo ihany izy ireo noho ny lanjan'ny kabary eo amin'ny Teny Malagasy, ho an'ny mpandray anjara tamin'ny ady hevitra, ho an'Atoa William Randrianjafiarison ao amin'ny Foyer de Grenelle, ho an'Atoa Mika Sarry Full naka sary ny fotoana, ho an'Atoa Ralf Croissance.com izay mpiara-dia amin'ny HAVATSA amin'ny serasera, toy ny mpiara-miasa akaiky Madaplus.info Vola Rasoamanana Radio Toko Telo, Radio Bitsika Atoa Daniel Diffusion, Radio Echos Capricorne Rtoa Claudie Benoit, Radio Vatsy FPMA, Rtoa Raivo Patricia Salomon nanaingo ny trano sy Atoa Dédé Sorajavona nanao ny feom-baliha ary indrindra Atoa Rakotonirina Adrien. Isaorana koa ny fanotronan'ny Fikambanana Asasoa France-Madagascar Atoa Achille Rajerison sy ny Vaovy La Fondation Atoa Anatole Ramaroson., Hetsika Madagascar Frank Will-IAm Ramaroson.


SITRAKA TOMPOKO fa tena nahafinaritra ny fiarahana, AMIN'NY SABOTSY 15/11/14 @ 7:00 izany no fotoanantsika hilanona indray amin'ny FAMPISEHOANA MIAVAKA!

Ho ela velona anie ny Teny Malagasy sy ny soatoavina entiny sy ampitainy.

Hanitr'Ony
Filohan'ny HAVATSA-UPEM SAMPANA FRANTSA.


>> Merci à Salomon Charlot Andriamady pour les photos.
N.R.

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar