Alerte Infos

Fivoriambe ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina (SPVFA 37)

Vendredi 2 Novembre 2012

Fivoriambe ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina (SPVFA 37)
Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM)
> ciquez sur la photo pour voir l'album

Fivoriambe ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina (SPVFA 37)
NY FANANTENANA NO NAMONJENA NY MINO"(Rom 8/24a)"

Vita soamantsara ny fivoriambe ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina (SPVFA 37) FJKM ny asabotsy 27 sy ny alahady 28 octobre 2012 lasa teo.

Ny asabotsy faha 27octobre maraina , tao amin'ny Maison Paroissiale ,St JEAN ,15 rue de Verdun ,94320 ,Cachan dia nanatanteraka ny Komity Lehibe ireo mpivory izay notarihin'ny Biraon'ny SPVFA 37.

Ny tolakandro kosa dia fanompoam-pivavahana notarihin' ny Sampana velona rehetra ao amin' ny Synodamparitany ( Sampana Sekoly Alahady, STK, Sampana Dorkasy ary Sampana lehilahy Kristiana ) nanatanteraka sy nanaovan' izy ireo ihany koa ny tatitra, ary nofaranana tamin' ny Antsampanahy notanterahin' ireo antoko mpihira sy STK avy eto amin' ny île de France anjara (FJKM wagner,FJKM Montrouge Vaovao,FJKM Champigny sur Marne )
Ny alahady 28 octobre maraina dia fiofanana hoan' ireo Diakona rehetra eto amin' ny SP 37 Vato Fehizoro ampitandranomasina ( FJKM Gland/ Suisse , FJKM Nantes, FJKM Rennes-Laval , FJKM Strasbourg Famonjena , FJKM Wargner, FJKM Montrouge Vaovao, ary ny FJKM Champigny sur Marne)
Fampiofanana izay notanterahin' ireo Mpitandrina eto amin' ny SP 37.

Ny alahady tolakandro kosa dia fanompom-pivavahana natao tao amin' ny FJKM Wagner izay notarihin' ny Biraon'ny Synodamparitany ho famaranana io Fivoriambe ny SPVFA 37.

Io fanompom-pivavahana io ihany koa dia nentin'ny SPVFA 37 nanatanteraka ny Fankasitrahana ny mpitandriana Randriamora Samuel Max mivady izay ray amandreny nitarika ka nampisy ny Synodamparintany faha 37 izao, ary nofaranana tamin'ny fandraisana ny Fanasan' ny Tompo ny fotoana.


N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar