Alerte Infos

Fokontany Amboditsiry – “ Mendrika ny mponina ny fahazoany fotodrafitrasa ”, hoy ny Pds Edgard Razafindravahy

Vendredi 12 Avril 2013

Fokontany Amboditsiry – “ Mendrika ny mponina ny fahazoany fotodrafitrasa ”, hoy ny Pds Edgard Razafindravahy
Fotodrafitrasa maro no noto­kanana taminy alatsinainy teny amin’ny fokontany Amboditsiry. Lalana, fanasan-damba ary fahazavana avy amin’ny herin’ny masoandro no santionany tamin’ireo, izay nandaniana vola an-tapitrisany. 

Tsy nanafina ny hafaliany tamin’ ireo mponina ny Pds-n’ Antananarivo-renivohitra, Edgard Razafindravahy teny an-toerana omaly, no sady nilaza fa “tokony handinika tsara ny amin’ny ho avin’ny firenena ireo mponina”.

Nampiany fa “fano­mezana hasina no anton’ ny fotodrafitrasa tahaka izao. Mendrika anareo izany satria niasa mafy ianareo mponina no sady nahay nitahiry. Mirana foana ny saiko rehefa mandalo eto Amboditsiry aho. Milamina ny tanàna satria miavaka tsara ny arabe natao ho an’ny fiara, ny sisiny natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Avy hatrany dia matoky ny mponina eto ny mpamatsy vola”, hoy ny Pds.

Tsy hanitsaka fotaka
Isan’ireo tonga teny an-toerana ihany koa omaly ny filoha lefitry ny Region île de France, izay namatsy ny maro tamin’ ireo vola nanaovana ireo tetikasa ireo. Ankoatra ireo efa vita dia mbola nampanantena lelavola Ar 2 tapitrisa hanamboarana lalan-kely i Edgard Razafindravahy.

“Tombony ho an’ny mponina ny tsy fanitsahany fotaka intsony rehefa avy ny orana. Ireo jiro ihany koa dia manazava amin’ny alina ka mampihena ny asan-jiolahy. Manamora ny fitaterana ny rano amin’ny kalesa ny fahavitan’ny lalankely. Nisy fandraisana anjaran’ ny mponina 12 % nanaovana ireo fotodrafitrasa ireo”, hoy kosa i Elison Brigitte, tompon’ andraikitry ny fampiroboroboana ny fizahantany eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Faralala

N.R.

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar