Communiqués

Hetsika May 1972

Mercredi 27 Juillet 2016

Fanambarana
Nandritra ny fivoriana natao tamin’ny faha-20 jolay teo, dia isan’ny voadinika tao ny raharaham-pirenena ankapobeny. Taorian’ny fitsidihana sy fanadihadiana tany Soamahamanina nataon’ny mpikambana ato amin’ny « Hetsika May 1972 » ka nanaovan’izy ireo tatitra momba izany, dia niarahan’ny mpikambana rehetra nanaiky fa tsy rariny ary tsy eken’ny vahoaka maro an’isa any ny fitrandrahana volamena amin’ny endriny ankehitriny ataon’ny vahiny sinoa.

Momba ny raharahan’ny mpanao gazety indray dia hita fototra ny fanitsakitsahana ny zon’ny mpanao gazety izay mampahafantatra ny zava-misy sy ny marina. Toraka izany koa ny zon’ny vahoaka izay tsy ho afaka hanaiky fotsiny ny taingim-bozona atao aminy.
Tamin’ny fotoana nanokafana ny ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tany Taolagnaro momba ny fasimainty (ilmenit) sy ny ao Ambatovy momba ny « nickel sy cobalt » no efa nanomezana alalana ny fitsofohan’ny vahiny hitrandraka volamena tao Soamahamanina. Izany fahazoan-dalana izany no nohararaotin’ny fitondram-panjakana ankehitriny nanehoany ny jadony ho famenon’ny tsy fanarahan-dalàna marobe izay ataony amin’izao fotoana.
Tsy maro an’isa mihitsy ireo tompon-tany izay nampirisihany namarotra ny tanindrazany ireo ka hifandrafy hiady mihitsy amin’ny vahoaka maro an’isa manohitra ny fandravana ny tontolo iainana sy ny fotodrafitrasa iankinan’ny fiainana sy ny fanabeazana ary fitaizana ny vahoaka maro an’isa.
Tsapa fa tsy voafehin’ny Fehezan-dalàna momba ny harena ankibon’ny tany (Code minier) ankehitriny ny fananan-tany sy ny fitandroana ny maha-olona noho izao fitrandrahana tsy ara-drariny ny harem-pirenena izao.
Noho izany dia ampangainay ankitsirano ny fanararaotam-pahefana entina mivarotra ny tanindrazana malagasy.

Melohinay marin-drano koa ny fanaovana jadona amin’ny fampihorohoroana ny mpanao gazety izay mikendry ny hamotsipotsitra ny fanararaotan’ny mpitondra sy ny filazana ny marina rehetra.
Tsy ekenay toa izany koa ny fampiasana herim-pamoretana amin’ny vahoaka, izay ikendrena ny fifankahalan’ny samy malagasy. Dia anararaotam-pahefana amin’izany ny fampiasana ny zandary izay omanina amin’ny tsy fifanajan’ny samy malagasy ka andrangitana ny fifandrafesana ara-poko amin’ny olona mitaky ny zony sy ny rariny mbamin’ny hitsiny, ka vokivokisana amin’ny ady an-trano.

Efa tsy hay afenina ary tsy vaovao eto amin’ny firenena intsony ny famarotana ny harem-pirenena toa izao any Soamahamanina izao. Mameno ny faritra maro eto amin’ny firenena manontolo izany hatramin’ny Repoblika voalohany ; ary io ao Soamahamanina io no mety ho fanombohan’ny ho fitroaran’ny vahoaka malagasy izay maro an’isa, ka saro-piaro amin’ny harem-pirenena, manampy trotraka ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny, ny tsy fandriampahalemana, sy ny fitotonganan’ny sosialy ankapobeny mbamin’ny fahapotehan’ny toekarena.

Natao teto Ankadifotsy, ny faha-22 jolay
Ny Hetsika May 1972
N.R.

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar