Alerte Infos

Kolo Malagasy: "ravim-boafotsy sy mofogasy mitam-pihavanana" ny sabotsy 16 janoary 2016

Dimanche 17 Janvier 2016

Mamy ANDRIANARIVONY ny filoha taloha sy Idealy Andriamanjato ny filoha vaovao i Kolo Malagasy
Mamy ANDRIANARIVONY ny filoha taloha sy Idealy Andriamanjato ny filoha vaovao i Kolo Malagasy
Ny Fikambanana Kolo dia miezaka manandratra ny teny sy ny kolotsaina malagasy.


Koa ny asabotsy lasa teo dia nanao ny "ravim-boafotsy sy mofogasy mitam-pihavanana" izy ireo tao @"Foyer Universitaire Malgache de Cachan" - 1, Avenue Léon Eyrolles - 94230 - CACHAN.

Tamin'io fotoana io no nifampiarahaban'izy reo t@ mpikambana sy ireo tapaka sy namana zay manohana ny fikambanana ary koa nanolorana ny filoha vaovaon'ny fikambanana Kolo Malalagasy: Idealy Andriamanjato.
Nanatrika izany ny Madaplus.info ary dia manasa anao hamaky ny kabary ny filoha vaovao ary hijery ny sarin'izany fotoana izany.

"Tsy goaika maneno eny am-panidinana ka hampidera feo eny an-danitra na ho toy ny papango be saron-doha ka tsy misy zokiny afa tsy izaho fa noho ny adidy aman’andraikitra izay nomena ahy dia tsy maintsy hitondra ny fitenenana.

Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny mandeha tsy irahina dia toy ny mpangala-dia
Ny mandray tsy tolorana dia toy ny mpangalatra
Ary ny mandray fitenenana, tsy manao azafady kosa dia toy ny tsy mahalala fomba
Ka dia manao azafady satria ny azafady dia fangatahan-dalana hiteny sady fanomezam-boninahitra ho anareo izay manatrika etoana.
Satria sarotra moa ny miteny ary manahirana ny mandahatra, koa dia miala tsiny amin’ny fiambakavakana miteny ary miala tsiny koa manoloana ny voninahitrareo.
Manarak’izany dia atolon-tsika an’ilay nahary ny haja sy ny voninahitra amin’ny nahatafavory antsika eto androany, Izy anie hitantana ny hitahy izao fotoana izao.
Ary ho anareo rehetra izay manatrika eto kosa, dia tolorana ny arahaba toy ny masoandro avy any atsinana ka ianareo no tratrany mialoha, ary ny fiantefany toy ny masoandro avy any andrefana ka mahenika ny isam-baravarana mivoha.
Izay no ela Tompololahy sy Tompokovavy, kanefa tsy maintsy nandalovana ahatongavana amin’ny antony nahatafavory antsika eto androany.

Na dia efa niarahaba aza moa izaho teo, dia mbola mamerina izany noho ny taona vaovao 2016, miarahaba anao nahatratra ity taona ity ary isaorana Andriamanitra amin’izany tombon’andro sy tombon-taona nomeny izany. Izy anie mbola hitahy sy hivimbina antsika mandrakariva.
Ny arahaba hono tovonan-drary ka mirary anao ho lavitry ny aretina, tsy harofy ary mirary koa ny hahatontosanao izay rehetra kasainao sy irianao mandritra ny taona izay ho diavina.

Manarak’izany tsy hay ny tsy ahatsiaro sy hisaotra ireo filoha nifandimby nitondra ny fikambanana teo aloha dia i Tompokolahy Jarisoa Rakotoarivelo izany ary koa i Atoa Mamy Andrianarivony. Izy ireo no nitondra avo ny fikambanana Kolo izay mbola miezaka hatrany ny manandratra ny teny sy ny kolontsaina malagasy.
Ny tanana avia tsy maharay sahafa, ny tanana avanana tsy maharay kofafa, ny iray amin’ireo tsy mahavadika bainga raha tsy izy roa no miara manainga, koa tsy tonga amin’izao toerany izao koa ny fikambanana raha tsy teo ireo mpiara-miasa aminy, dia ireo mpampianatra ao amin’ny Inalco izany, ireo mpanolotra loka ary farany ireo mpifaninana sy ireo naman’ny Kolo rehetra, ka fisaorana mitafotafo no atolotra azy ireo ary manantena ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany.

Ary ny hamaranako ny teniko, dia misaotra ireo mpikambana nanome ny fahatokisany ahy ary nifidianany ahy ho filoha, mavesatra tokoa ilay adidy ka hiezaka aho ny tsy handiso fanantenana azy ireo ary koa an’ireo mpiara miasa amin’ny fikambanana rehetra.
Ho taom-pahasoavana anie ity taona 2016 ity.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy."








N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar