Alerte Infos

PAGES D’AMOUR organisé par l’INALCO CROIMA ASIEs et l’HAVATSA-UPEM Section France

Samedi 20 Février 2016

TAKELA-PITIA natolotry ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa sy ny INALCO/CROIMA ASIEs tao Parisy ny 13/02/2016 ho fankalazana ny fahazato taonan’i ZAKARANDAHY na Samuel RAJAOBELISON sy ny andron’ny haisoratra malagasy.

TAKELA-PITIA, ny 13/02/2016, andron’ny haisoratra malagasy

Nanorana ny andro, somary nangitsy kely koa, nahalana ny mpandeha, kanefa tsy nahasakana ireto mpankafy ny haisoratra sy ny maha Malagasy izany hanotrona ny fotoana nifanomezana hanolorana ny Takela-pitia sy hankalazana ny fahazato taonan’i ZAKARANDAHY (1915-1994).

Nisokatra tamin’ny 10 ora maraina ny fampirantiana momba ny mpanoratra ZAKARANDAHY. Narahin’ny fandraisan’ny Talen’ny INALCO CROIMA ASIEs, Pr Narivelo Rajaonarimanana izany tamin’ny folo sy sasany mahery kely. Natolotry ny Filohan’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa, Rtoa Hanitr’Ony Salomon kosa ny fandaharam-potoana maraina : sarimihetsika mampiseho ny tantara sy ny fiainan’i Samuel Rajaobelison na ZAKARANDAHY nitohy tamin’ny valan-dresaka nataon’Atoa Solomalala Rajaobelison zanany lahiaivo momba ny tontolon-kantony sy ny fandalinana nataon’Atoa F-X. MAHAH mikasika ny fotoana sy ny fomba amam-panao taratra eo amin’ny asasoratr’i ZAKARANDAHY.

Taorian’ny ady hevitra sy fifanakalozana dia nanolotra antsan-tononkalo ny mpikambana HAVATSA-UPEM sy ny Fianakavian’ny Poety, nohaingoin’ny « Angolam-pitia » an’ny Tarika SORAJAVONA sy ireo hira noforonin’i ZAKARANDAHY na nohirain’ny Tarika SOLIKA. Nahazoana namantatra ny momba an’i Samuel RAJAOBELISON tokoa iny maraina iny, misy boky « Fehezam-bary gasy » natontan’ireo Dimbiny misy santionan-tsanganasany ary misy koa ny fanehoana ny tontolony anatiny sy ivelany.

Ny tolakandro dia nanokatra ny Takela-pitia Atoa Abel ANDRIARIMALALA tamin’ilay valan-dresaka momba ny literatiora sy ny lohahevitra fitiavana mifandray amin’ny kolon-tsaina malagasy. Ilay « fanahy » malagasy no nitondrany ny mpijery hitafy ilay akora tena maha Malagasy vetivety ka hitety ny tena lanjan’ny teny sy ny fomba. Ohabolana, hainteny, oha-pitenenana no nodinihina sy nosainina, tena nahaliana tokoa sy nahalalàna zava-baovao.

Mbola tsy nanary ilay akora ny mpijery nandritra ny fifankalozan-kevitra, ary samy naneho ny karazam-pitiavana avy kosa ny mpanoratra HAVATSA avy eo : fitiavana an’Andriamanitra (ARILAZA), ny tontolo iainana (ANDRY SALOMON), ny kolontsaina malagasy (DEDE SORAJAVONA), ny kolikoly (NONO ARIVONY), ny maha Malagasy (NY KANTO), ny sakafo (MRG), fitiavan’ny reny (RAIVO PATRICIA SALOMON), fitiavana mitia (RANI) na fitiavan’olon-droa (ANDRYMANN), ary ny fitiavana sy ny hatsarantarehy aza (HANITR’ONY)…izay nahatsapana fa ny fitiavana no lehibe indrindra ary fototry ny asan’ny poety sy mpanoratra.

Nanohy izany ny antsan-tononkalom-pitiavana izay nohaingoin’ny feom-baliha mamolivolin’i Dédé Sorajavona , ny kalon’ny fahinin’i Arilaza, ny hiran’i Nono Arivony ; nitohy tamin’ny lalao an-dampy ampahan-tantara tsangana nataon’ny Tropy IMAHAVITA.

Rehefa avy nianoka izany zava-kanto izany ny mpijery dia natolotra ireo boky vaovao toy ny Dictionnaire de l’Ethnographie Malgache (Jean-Paul ALAIN), Ilay Malalako indrindra, Fa lozako raha tsy hitory ny filazan-tsara aho (ARILAZA RANDRIAMAHEFASOA), Rangotra / Griffures (ANTSIVA), Bemiray (Fredy JAOFERA) ary Le métissage culturel dans la littérature malgache de langue française (Michèle RATOVONONY). Nofaranana tamin’ny rango-tsiaro sy fiaraha-miala hetaheta ny fotoana, hanamarihana ny fifankatiavana.

Fahombiazana feno no hitan’ireo mpikarakara satria tena nahafinaritra ny tontoloandron’ny haisoratra malagasy, koa misaotra indrindra ny Mpijery tonga maro (na ratsy aza ny andro) ireo mpikambana HAVATSA-UPEM sy ny INALCO/CROIMA ASIEs, misaotra koa ny Terak’i ZAKARANDAHY, ny mpandray anjara rehetra, ny croissance.com Ralf Mifalia, ny Radio Bitsika sy ny Radio Echos du Capricorne.

Mahavelombolo ny mahita fa tsy lefy sy mbola misy hoaviny mamiratra ny Teny Malagasy.

Veloma tompoko !

Hanitr’Ony

Filohan’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa


PAGES D’AMOUR, le 13/02/2016, journée littéraire malgache

Les amoureux se sont donnés rendez-vous ce 13/2/2016 à l’évènement PAGES D’AMOUR organisé par l’INALCO CROIMA ASIEs et l’HAVATSA-UPEM Section France, amoureux de littérature, de beaux textes, de la culture malgache ou amoureux de la découverte. La matinée a été l’occasion de célébrer le centenaire de la naissance du poète ZAKARANDAHY (1915-1994) dont la vie et les œuvres ont été présentées dans une exposition, et dans un diaporama. Conférences-débat sur la vie du Poète, par ses descendants et une approche thématique sur le temps et la place des traditions dans les œuvres de Zakarandahy, par le Dr F-X. MAHAH précédaient une lecture poétique par les membres de l’UPEM HAVATSA et les représentants de la famille de Samuel Rajaobelison.

L’après-midi, malgré la pluie qui persistait des spectateurs sont venus apprécier la conférence donnée par M.Abel ANDRIARIMALALA sur la place de l’amour dans la culture et la littérature malgaches, leur effort a été récompensé par cette brillante prestation suivie d’un débat, puis des allocutions courtes des membres de l’UPEM-HAVATSA section France sur les différentes formes d’amour ! La lecture poétique ouverte par la participation d’une talentueuse spectatrice « Hanta Rakaroka » qui a déclamé un poème d’amour « Antsam-pitiavana » de DOX, a vu tous les membres participer, décorée des chants de Valiha (Dédé Sorajavona), de chansons (Arilaza Randriamahefasoa, Nono Arivony) car certains poètes ont plus d’une corde à leur art. Le Tropy IMAHAVITA a joué également un extrait de pièce sous l’élan enjoué du public.

Après la présentation des nouveaux ouvrages, une séance dédicace et un pot de l’amitié terminaient cette belle journée d’échanges et d’émerveillement face à la richesse de la culture malgache.

Les organisateurs INALCO CROIMA et HAVATSA-UPEM section France remercient vivement le public venu nombreux, malgré le mauvais temps, leurs partenaires croissance.com Ralf Mifalia, Radio Bitsika, Radio Echos du Capricorne…

Que la culture malgache rayonne au-delà des mers et que la langue MALAGASY ait longue vie !

Hanitr’Ony Salomon

Présidente de l’HAVATSA-UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches)

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar