Alerte Infos

Rindra-kira ara-pilanzatsara: Jaobily volafotsy, fankalazana ny faha 25 taona nanaovan'i Rtoa RAFALINIRINA Lalao Angèle ny asan'ny Fiangonana - Asabotsy 27 septambra 2014

Mardi 23 Septembre 2014

Tetsy EPUdF Auteuil no natao ny fankalazana ny Jaobily volafotsy (1989 - 2014), 25 taona nanaovan'i Rtoa RAFALINIRINA Lalao Angèle ny asan'ny Fiangonana.



Ny fotoana dia natomboka tamin'ny fiarahabana, fiderana sy fankalazana ny Tompo. Izany dia narahina Rindra-kira ara-pilanzatsara niaraka tamin'ny Antoko mpihira sy Artista ara-pilanzatsara maro: STK FJKM Champigny, Tarika Voahirana (Antsan'i Kristy), ny STK Ankanin'ny Fanahy FJKM Wagner, ny Tarika Mpanarato, VFL FJKM Wagner, ny STK FJKM Montrouge Vaovao ary ny Groupe Ny Mino.

"Rtoa RAFALINIRINA Lalao Angèle Mpitandrina mivady, ny Filoha mivady sy ny biraon'ny Synodaparintany Vatofehizoro ampitandranomasina (SP37) ary ny Komitin'ny Jobily dia maneho fisaorana sy fankasitrahana antsika rehetra tonga nanatrika ny fotoana. Nampiraisin'ny Fanahy iray tokoa isika ary nanana fandavan-tena tamin'ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny Jobily volafotsy naha-mpitandrina an-dRamatoa RAFALINIRINA Lalao Angèle.

Fisaorana manokana antsika nanoina ny fanasana, ka tonga niarananome voninahitra an'Andriamanitra tamin'io fotoana io. Ny Tompo no hamaly fitia anareo, ry havana."

Vola Rasoamanana

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar