Alerte Infos

SITRAKA AVY AMIN'NY HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA - 15 novembra 2014

Mercredi 19 Novembre 2014

"Tovovavy nanani-boaroy
Tovolahy nanani-boasary
Sangarotin'ny foliala
Tsy avelan'ny soa tsy hihaona"

SITRAKA AVY AMIN'NY HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA - 15 novembra 2014
zany hain-teny izany no anoloranay mpikambana HAVATSA-UPEM SAMPANA FRANTSA ny saotra mitafotafo, ny sitraka voafantimpatina ho anareo izay niara-nankalaza taminay ny fahafolo taonan'ny fikambanana tetsy amin'ny Foyer de Grenelle, ny 15 novambra hariva teo. Henika hafaliana isika rehetra ary tsiky, hehy, tokelaka, kakakaka, vanivany, tokiky, no nifampizarana tao amin'ny fampisehoana Tsikin'ny Poety.


SITRAKA AVY AMIN'NY HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA - 15 novembra 2014
*Ny HAVATSA-UPEM Foibe any Antananarivo dia manohana sy mankahery hatrany,
*Miahy ny fankalazana ny fahafolo taonanay ny REPERMAD-UNESCO soloin'ny Tompondraharaha Atoa Ny Toky Andriamanjato tena, ary Rtoa Véronique Resaka Tompondraharaha ao amin'ny Masoivohon'i Madagasikara eto Frantsa,


Nandritra ny fety :
*Teo amin'ny fanolorana dia efa nampientanentana i RIRI RAMANDIAMANANA,
*Manga feo ery i D-LAIN sy ireo mpiara-dia aminy,
*Miangola fatratra ny feon'i LÔLÔNE sy TÔTÔ MWANDZANI arahin'ny gitarany,
*Meva ireo Tovovavy Malagasy mianjaika fitafy tsara tarehy natolotry ny TANY, HARENA, nandravaka ny tononkalon'i Arivony J. momba ny Vehivavy Malagasy.
*Fy sady mahafinaritra ny maso ny mofomamy natolotr'i HERIZO RALAMBO,
*Kanto ny doka naravon'Andrianavalona Ravalison,
*Tsara be ny haingon-tsehatra natolotry ny ESPACE MAHERY
*Ny hosodoko fahafolo taonan'ny Havatsa Upem France natolotr'i Irène Randrianarisoa Rasendra koa torak'izany.
*Nahenika tsara ny fanamafisam-peo nataon'i WILLIAM RANDRIANJAFIARISON
*Nahafantaran'ny maro ny hetsika ny fanadihadiana, ny fanapariahana, ny fandefasana ny doka nataon'ny Radio Bitsika, ny RadioToko3, ny Radio Echos Capricorne, ny Radio Vatsy, ny MADAPLUS.info, ny Croissance.com Ralf, sy ireo namana rehetra nanao ampitampitao.
*Nahatontosa iny fotoana iny ny fanampian'ireo SAKAIZAN'NY HAVATSA izay nanome tànana na avy akaiky na avy lavitra tamin'ny fanomanana rehetra (Lala Andriarimalala, Brigitte Andriamahefasoa, Raivo Patricia Salomon, Kevin Razanamandimby).
*Fahatsiarovana mamy be sady kanto hojeren'ny maso ny sary nalainareo mpanakantosary Haingo Madazikart, Salomon Charlot Andriamady, Ralf Croissance, Daniel Diffusion, Herizo Ralambo
*Vao mainka maharavo ny mahita ny fikambanana manandratra ny maha Malagasy nanotrona koa : ny RNS Liva Ramanana-Rahary mivady, ny KOLO MALAGASY, ny mpikambana FIMPIMA Faritany Frantsa, ny AIFM Francine Ranaivo, Atoa Adrien Rakotonirina, RIRI Ramandiamanana.
*Ary tena nahavelombolo sy mankahery anay ny nahita anareo MPIJERY tonga maro be nitondra ny tsikinareo koa nifampizarantsika.


SITRAKA AVY AMIN'NY HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA - 15 novembra 2014
Mamy ny fary fa misy fiakany, mamy ny tantely fa misy faikany, fy ny amalona fa misy taolany, fa raha ny SAOTRA atolotray anareo dia mamy tsy misy anesorana, feno tanteraka. Koa tehaka mipoapoaka no atolotray anareo, tompoko. Dia onera be ny lany rehetra, hanjary ho arivo heny anie ao am-batanareo!
Sitraka enti-matory ka hovalina raha mahatsiahy.


SITRAKA AVY AMIN'NY HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA - 15 novembra 2014
Avy aminay mpikambana : Lalah, Andrymann, Andamioly, Antsiva, Ramy Laza, Abel Andriarimalala, M.R.G, Ny Kanto, Arilaza Randriamahefasoa, Bana Rahalahy, Andry Salomon, Irene Randrianarisoa Rasendra,Tsimaito, Nono Arivony J., F-X. Mahah, Fredy Jaofera, Rani, Onitra, Ony Alijaona, Toetra Raja, Bary Randresy Barimanana Randresiarisoa, DadaRabe, Ndremahery Razafindratsima, Dila, Sandy Lala,
ary Hanitr'Ony SALOMON.

Filohan'ny Havatsa Upem Sampana Frantsa
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar