Communiqués

TARANAK’ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA: RY AMBOHIMALAZA, MIORENA TSARA.

Jeudi 12 Janvier 2017

Folo taona lasa izay, nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika ny faha-450 taonan’Andriantompokoindrindra, izay fotoana nitsiahivina ny fahaiza-mandrindra sy ny fifanaraham-panjakana teo amin’ny Andriantompokoindrindra sy Andrianjaka.

Folo taona taty aoriana, nisy nahavanon-doza nandoro ny tranomasin’Andriantompokoindrindra ao Ambohimalazabe. Hevi-dratsy entina hamotika ny Hasin’Andriantompokoindrindra, ny Hasin’Andriana, ny Hasin’ Imerina ary ny Hasin’ny firenena. May ny trano, kila ny hazo, voakasika ny marika hita maso, fa tsy nisy nahakasika ny toerana nametrahana an’Andriantompokoindrindra miafina, tsy ho hitan’izao ambonin’ny tany izao, tsy raraka ny ilo mby an-doha entin’ny teraka sy ny taranaka, tsy rava ny Hasina mikoriana any amin’ny tsirairay, tsy hahatratra mandrakizay ny tanjony ny tsy vanona, tsy mataho-tody .
Ny may tsy maintsy harenina, ny nianjera tsy maintsy hajoro, ny rava tsy maintsy hatsangana indray ary ho tsara kokoa noho ny teo aloha aza, satria ny fiheveran’ny sasany ho faharavana no maika ho fanoitry ny fanorenam-baovao sy ny fisandratana vaovao, ho Hasin’Andriantompokoindrindra, Hasin’Imerina, Hasim-pirenena.

Miantso antsika teraka sy taranaka, ny havana, ny tapaka sy namana mahatsiaro fa voakasik’izao hifanome tanana hanarina haingana.
TSY HIALA AMIN’NY FENITRA NAPETRAK’ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA ISIKA, HANARINA HAINGANA NY RAVA
AMIN’NY ANARAN’NY TERAKA SY TARANAK’ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA
Ny Filoha

RAZAFINDRAVAH Christian

www.madaplus.info
www.madaplus.info
N.R.

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar