Communiqués

Voin-kava mahatratra (RAMANDRAIVONONA Dera Filohan’ny Mutuelle de Madagascar)

Jeudi 9 Février 2012

Voin-kava mahatratra

Miarahaba anareo Tompoko,

Nangatahan’ny fianakaviana hanoratra ity aho koa dia manao azafady aminareo.
Nodimandry tamin’ny alahady 5 febroary 2012 Ramatoa Rondro Ramiarinjato, arak’io filazana nataon’ny fianakaviana mipaingotra miaraka amin’ity taratasy ity. Renim-pianakaviana nanao ny adidiny teo amin’ny ankohonany sy ny mpiara-belona taminy Itompokovavy Rondro.

Mafy tokoa ny fahoriana mihatra amin’ireo zanany. Niongotra ny faka famaharana ka tapatapaka ny taho, nandazo ny ravina, nihintsana ny voa, nangaihay ny saha naniriany fa lasa i Neny.
Maniry mafy ny handefasana ny razana any an-tanindrazana ny fianakaviany. Tsy mpikambana ao amin’ny Mutuelle de Madagascar Itompokovavy Rondro. Noho izany, dia tsy misy azon’ny Mutuelle hatao intsony araka ny lalàna. Efa manao izay tratry ny heriny ny zanany sy ny fianakaviany. Vola be anefa no ilaina amin’izany.

Koa tsy misalasala aho manao antso amintsika Malagasy mpiray tanindrazana miely patrana aty am-pitan-dranomasina hifanohana sy hifanampy manoloana izao voin-kava mahatratra izao.

Ny entan-jarai-mora zaka, ny erikerika maha-tondra-drano, koa dia isaorana indrindra ianareo amin’zay azonareo homena.
Azonareo alefa amin’izao kaonty izao ny fandraisanareo anjara :

M ou Mme ANDRIANJAKA JIMMY
Etablissement Guichet N° Compte CleRIB
20041 00001 5515241H020 48

Andriamanitra tompon’ny fahasoavana manana ny amby ampy anie hamaly soa anareo, ka ny kitapo hialan’ny fanohananareo, hataony hazo mamoa vola, hongotana misy dimbiny, tapahina misy solofony, handratsanana vao mihamisandrahaka.
Misaotra indrindra Tompoko, ary mba ampitapitao amin’ny havana, tapaka sy namanao ity antso voin-kava-mahatratra ity

RAMANDRAIVONONA Dera
Filohan’ny Mutuelle de Madagascar
Fifandraisana amin’ny fianakaviana
ANDRIANJAKA Jimmy 06 66 61 05 33
RABENJA Nirina 06 23 82 37 51

Vaovao farany:
Hisy fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny Asabotsy 11 febroary amin’ny 9 ora maraina ao amin’ny Eglise Anglicane Saint George 7, rue Auguste Vacquérie Paris 16ème Métro Etoile.

rondro.pdf RONDRO.pdf  (83.54 Ko)

Vola Rasoamanana

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar