Communiqués

Vokatra Santatra FJKM Champigny: fisaorana sy fankasitrahana

Dimanche 17 Mai 2015

www.madaplus.info
www.madaplus.info
Fiangonan’ i Jesoa Kristy any Madagasikara (FJKM)
Synodam-paritany Vato Fehizoro Ampitandranomasina N° 37

FJKM -CHAMPIGNY sur MARNE
13 rue Jean Jaurès , 94 500 Champigny



Champigny 17 Mey 2015




Ry havana,

Homba anareo mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Kristy.

Amin’ny anaran’i Jesoa Tompo Lohan’ny Fiangonana, ny mpitandrina, ny Birao, ny Komity ary ny Fiangonana ry havana no hanoloranay etoana ny Fisaorana sy ny Fankasitrana an’Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara ny Vokatra Santatra izay nokarakarain’ny FJKM Champigny sur Marne omaly Asabotsy 16 Mey 2015.
Misaotra sy mankasitra indrindra ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny fanatontosana iny fotoana iny izahay.
Misaotra sy mankasitraka indrindra tamin'ny zavatra rehetra ry havana. Hita fa tsy nikely soroka tokoa ny fiangonana tsirairay, ny Sampana ka nanao araka izay tratra ary tsy nitsanga-menatra sady ho fanehoana ny Voninahitr'Andriamanitra.

Ny Fiangonana izay nifanohana indrindra ireo solontena maro tonga nanatrika ny fotoana. Tonga amin’ilay fiteny moa io hoe : Ny nandeha tsy zoto ary ny nijanona tsy laina, fa noho ny andraikitra samihafa. Mankasitraka indrindra ry havana fa samy nandray anjara araka izay tandrify avy ny tsirairay.

Misaotra indrindra tamin’ny fandraisana anjara nataon’ny Sampana rehetra tamin’ny fanentanana ary ireo mpana-talenta izay tonga nanotrona, tsy ho voatonona araka ny anarany avy.

Mahafaly indrindra ny fiaraha-mientana naseho ho Voninahitr’Andriamanitra ary tsy nitandro hasasarana ianareo tamin’izany, tao ny hery lany, ny vola aman-karena, ny fotoana, ny Tompo anie hanonitra ireny rehetra ireny.

Mankasitraka indrindra ireo nikarakara tamin’ny fividianana ny sakafo, ireo izay tsy natory fa niaritra noho ny fahandroana .Honeran’ny Tompo anie ny hasasaranareo.

Misaotra indrindra ireo nanao ny fandaminana na ny nahazoana ny trano, na ny fikarakarana hatramin’ny fotoana farany nialana teo amin’ny toerana nanaovana ny hetsika.

Misaotra indrindra ny Synodamparitany izay nandefa solontena sy ireo Fiangonana ary Fiaraha-mivavaka any amin’ny faritra izay nanolo-tanana tamin’ny fandraisana anjara, ary nisy ireo izay nahatonga solontena maro fa tsy nionona tamin’ny fandraisana anjara, isan’ireny ny FJKM Rennes-Laval sy ny hafa koa izay ankasitrahana indrindra.

Raha nisy ny lesoka tamin’ireny sanatria, dia tsy ny lesoka no harangaranga sy hatao ho zava-dehibe fa ny fiaraha-mientana sy ny ezaka lehibe nataon’ny tsirairay. Nasehontsika ny fiombonana ary irariana ny hitohizan’izany hatrany.

Ny Tompo anie hamaly anareo tsirairay avy araka ny haben’ny Fahasoavany ka hanambina anareo amin’izay rehetra ataonareo.

‘’Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany,…’’ Heb.6.10

Raha misy Dera ary raha misy Laza dia hatao ho Voninahitr’Andriamanitra irery ihany izany rehetra izany, ary hanomezany Fitahiana antsika zanany rehetra.


Mankasitraka anareo indrindra ry havana noho ny fiaraha-miasa sy ny fifanotronana.

Manao veloma finaritra anareo amin’ny anaran’i Jesoa Tompo izahay.

Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo


Ny Mpitandrina Ny Filohan’ny Firahalahian’ny Diakona


Jean D’Elinivo Emmanuel Nirina RASOLOFO

Ho avy tsy ho ela eto ny sary
N.R.

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar