Misy raha ao

"10 Km de Tuléar" : Lasan’i Fulgence sy Marinah ny andiany voalohany

Mardi 15 Novembre 2011

"10 Km de Tuléar" : Lasan’i Fulgence sy Marinah ny andiany voalohany
Nanjakan’i Fulgence Rakotondrasoa avy ao amin’ny Crown Antsirabe sy Marinah Ramanantenasoa (Cnaps) tanteraka, ny halaviran-dalana 10 km nifaninana tany Toliara, ny sabotsy lasa teo.

Norombahin’izy ireo tamin’izany ny vola 250 000 ariary napetraka ho loka tamin’ity fifaninanana "10 km de Tuléar" ity. Teo amin’ny laharana faharoa no nisy an’i Fabien Randrianarison sy Ninah Andrianambinina, izay samy mpihazakazaka avy eto Analamanga avokoa. Tsy isan’ireo niatrika aizany teto i Hajanirina Andriamparany.

"Paikadin’ny mpanazatra no tsy nahafahako nandray anjara tamin’ity", hoy izy. Toy izany ihany koa i Jean François Lebon, izay vao avy nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny Marathon tany Seychelles farany teo, nandritra ny lalaon’ny Nosy andiany fahavalo. Tany amin’ny laharana fahafolo vao hita i Jean Louis Prianon, izay nisolo tena azy tamin’io fifaninanana andiany voalohany io. Nahatratra 300 ireo mpandray anjara ary heverin’ny mpikarakara hotontosaina isan-taona ity hetsika ity ka heverina ny hahatonga izany ho fifaninanana iraisam-pirenena atsy ho atsy.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar