Misy raha ao

Afrobasket Men 2011 : Hifandona amin’ny maozatra ny malagasy

Jeudi 18 Août 2011

Afrobasket Men 2011 : Hifandona amin’ny maozatra ny malagasy
Goavana sady lava ranjanana avokoa ireo Afrikana tafaraka vondrona amintsika, ao anatin’ny dingan’ny fifanitsanana fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, sokajy lehilahy (Afrobasket Men 2011).

Lohalaharana aminireny ry zareo Mozambikanina izay hihaona amin-dry Côco sy ny ekipany anio tolakandro, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. "Efa renay ny lazan’i Charles Ramsdell, ilay milalao any amin’ny NBA ka arahinay maso akaiky rahampitso. Hahazo tombony ianareo hilalao eto amin’ny taninareo", hoy i Inaki Garcia, mpanazatra ny Mambas Mozambikanina. Fizarana ny kianja sy "panier" no nataon’izy ireo omaly antoandro.

Manana salan-kalavana 1m80 daholo ary ahitana mpilalao dimy avy mirefy mihoatra ny 2m avy ihany koa ry zareo Malianina sy Nizerianina, izay samy mbola hidona amintsika ny zoma sy alahady ho avy izao. Hiakatra kianja ihany koa anion y vondrona C ahitana ny lalaon’ny Ivoarianina amin’ny Afrikanina Tatsimo sy ny fifandonan’ny Kameroney sy Ejypsianina. Rahampitso kosa no hiakatra kianja voalohany ry zareo ao amin’n vondrona B (Angola, Tchad, Maraoka, Sénégal) sy ny vondrona D (Tonizia, Togo, Centrafrique, Rwanda).

Hanomboka anio ka hatramin’ny alatsinainy 22 aogositra ho avy izao eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena ny dingana fifanintsanana ahitana lalao efatra isan’andro. Hanomboka amin’ny 12 ora sy sasany antoandro ny lalao voalohany. Izay roa voalohany isam-bondrona no ho tafita amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana hotanterahina ny 23 sy 24 aogositra ho avy izao.

Ho fety ben y lanonam-panokafana anio eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena.

Andry L.
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar