Misy raha ao

Afrobasket Men 2011 : Miandry ny fanjakana ny Fiba Afrika

Vendredi 4 Mars 2011

Afrobasket Men 2011 : Miandry ny fanjakana ny Fiba Afrika
Hatramin’ny 9 marsa ho avy izao, izay fotoana farany handraisana ny fanamafisana ny fampiatranoana, no hiandrasan’ny Fiba Afrika ny fanapahan-kevitry ny fanjakana malagasy farany amin’ny fandraisana ny « Afrobasket men 2011 ».

Io no vokatry ny fivoriana nihaonan’izy ireo tamin’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny basket ball, tany Paris farany teo. Ny fanamafisana fa handoa ilay antoka 1 500 000 dolara, izay saran’ny fampiantranoana ity hetsika goavana ho an’ny Fiba Afrika ity, no andrasan’ny rafitra mifehy ny basket eto Afrika amin’ny fanjakana.
Efa mitongilana eto amintsika aloha hatramin’izao ny vintana ho amin’izany fandraisana ny « Afrobasket men » izany. I Maraoka, izay mbola tany mikorontana amin’izao, no mpifanandrina akaiky amintsika, araka ny nampitain’ny filohan’ny Fmbb ity. « Hoentina mifehy ny fampitana mivantana ireo lalao rehetra hotontosaina any amin’ireo firenena mpandray anjara no anton’ity volabe ilaina ity », araka ny fantatra.
Hetsika iray hahatongavan’ireo teknisianina maneran-tany hanararaotra hitily mpilalao ho amin’ireo sehatra goavana toy ny NBA koa izany. Azo heverina ho tsena ho an’ny mpilalao mihitsy ity hetsika ity ary hoentina mampahafantatra ny firenena manerana izao tontolo izao, toy ny natao tany Lybie tamin’ny taona 2009.

Riméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar