Misy raha ao

Afrobasket-vondrona B sy D : Babangoana ireo sezan’ny lapan’ny Fanatanjahantena

Samedi 20 Août 2011

Afrobasket-vondrona B sy D : Babangoana ireo sezan’ny lapan’ny Fanatanjahantena
Tsy ampy ny antsasak’ireo seza eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena intsony no feno omaly faharoa ho an’ny digan’ny fifanintsananaisam-bondrona amin’ny fiadiana izay ho tompon-dakan’i Afrika.

Antonyiray lehibe mahatonga izany ny tsy filalaovan’ny ekipan’ny malagasy izay niala sasatra kely. Ny ankamaroan’ireo tonga omaly dia liana amin’ireo mpilalao afrikanina hafa kalaza avy amin’ireo firenena ngeza eo amin’ny sehatry ny basket afrikanina, toy ny Angoley, Senegaley, Maroakanina, Tonizia sy ny maro hafa. Antony iray hafa ihany koa ny faharesentsika, omaly. Nalaelo ihany ny ankamaroan’ireo mpijery, indrindra fa tokony ho resintsika ihany ry zareo Mozambikianina saingy tsy ampy traikefa.

Andrasana indray ny fahatongavan’ireo mpijery marobe anio, satria hiverina hiakatra sehatra indray ry Naguib sy ny ekipany amin’ny 5 ora 30 hariva, raha araka ny fandaharam-potoana ka hifandona amin’ny Malianina. Hialoha ireo dia efa hisy lalao roa, dia ny fihaonan’i Afrika Atsimo sy Kamerona, arahin’ny lalaon’i Mozambika sy Nizeria ary mbola hisy lalao iray koa aorian’io dia ny fifampikatrohan’i Côte d’Ivoire sy Egypta.

Andry L.
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar