Misy raha ao

Alaotra : Nampiantranoin’ny jiolahy ireo miaramila

Jeudi 7 Juillet 2011

Miaramila handeha hamonjy fodiana efa alina no tojo lehilahy iray nitam-basy izay zanaky ny tompon’ny trano nitobian’izy ireo tao Ampahirihitsokatra ihany.

Voaambana basy iretsy voalohany ary namaly bontana rehefa avy nanao tifi-danitra. Nitsoaka ilay lehilahy, saingy voan’ny balan’ireo miaramila teny amin’ny tongony.

Nandritra ny famotorana natao taminy no nilazany fa jiolahy ny rainy, ary lehiben’izy ireo. Tany ho any amin’ny fiandohan’ny volana jona tany no nisehoan’izany tranga izany. Raikitra ary nanomboka teo ny hazalambo nataon’ireto miaramila. Nisy fotoana izy ireo niditra hatrany anatin’ny tsenan’Ambatondrazaka mihitsy nanao fikarohana.

Manana havana ambony

Ny alatsinainy lasa teo no tratra tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ilay raim-pianakaviana tompon-trano Ra-Gasy, na Rajeranto Gaston, 64 taona. Nisy fotoana nahenoan’ny olona an’io lehilahy io nilaza hoe : « izaho ma (ndlr : izaho moa) tsy fantatrareo ? Anareo izay miaramila kely ireto mba hagnino. Misy ôl (ndlr : olona) ambony anie I’retsy (ndlr : lehiretsy), havanay e ! ».

Vokany lavon’ny bala teo amin’ny sampanan-dalana mihazo ny fokontanin’i Mangalaza, kaominina Feramanga Avaratra Ra-Gasy, omalu maraina tokony tamin’ny 8 ora sy sasany. Izany dia nialohavana karazana fifamaliana izay nisy teo aminy sy ireto miaramila, araka ny filazan’ireo nanatri-maso ny zava-niseho. Fantatra fa mbola misy namany karohina fatratra amin’izao.

Hery Fils



N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar