Misy raha ao

Ambalavao Antsimondrano : Namono olona indray ny taksiborosy

Mercredi 13 Avril 2011

Mitohitohy ny lozam-pifamoivoizana amin’ny fitaterana olona amin’ny fitaterana amin’ny alalan’ny taksiborosy amin’ny lalam-pirenena.

Olona iray indray no maty tamin’ny fitaterana amin’ny taksiborosy avy any Ambatolampy, omaly tamin’ny 7 ora maraina teo, teny Ambalavao, eny Antsimondrano.

« Nilatsaka ny takelaka amin’ny hisatr’ilay takiborosy ka avy hatrany dia nikoropaka namoha ny varavarana ny mpanampy ny mpamily. Nibosesika nivoaka tao anaty fiara ny mpandeha ka tamin’ izay no nisy olona iray tapaka ny tongony havanana noho ilay fiara mbola nandeha. Nisy olona iray koa, nanantena hanavotra ny ainy ka nitsoropaka avy eny am-baravarankely saingy maty teo ny ho eo », hoy ny fitantaran’ny dokotera iray mpiandry raharaha maika ao amin’ny HJRA omaly. Araka ny fitantarany ihany anefa, dia mbola afaka nijanona moramora ilay taksiborosy avy eo. Namono ny fikoropahana. Namono koa anefa ny tandrevaka.

Ny alakamisy hifoha zoma teo, dia nisy taksiborosy iray avy any Marovoay niakatra ho aty Anatananarivo, niharan-doza koa teo am-pidirana an’Ankazobe. Efa roa metatra mahery ny haavon’ny entana nentina teny ambony tafo. Nandà tsy hitondra ihany ny mpamily, saingy tsy neken’ny kaoperativa satria vola. Na mba efa nandeha mora aza ilay mpamily dia nitranga ny efa nampoizina. Nihonjina ilay taksiborosy tamin’ny fiolahana iray ka nivadika ilay fiara. Ankizy roa tao anatiny no naratra mafy vokatr’izany.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar