Misy raha ao

Ambalavelona : 3 vavy nihetsika aretina teny amin’ny Fitsarana

Mercredi 1 Juin 2011

Voatery nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fanadihadiana lalina saika hatao tamin’ireo vehivavy telo isan’ireo fito voatondro fa voan’ny aretina « ambalavelona ».

Ny alakamisy lasa teo no fotoana votondro hanaovana io fanadihadiana io tamin’izy telo vavy ireto, saingy raha vao nahita any tavan’ilay tovovavy mpiara-mianatra sy miara-kilasimandry aminy izay voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana ody ratsy azy ireo, izy telo vavy, dia nihetsika indray ny aretiny.

Horakoraka, fitalahoana famelana fa mijaly tamin’io tovovavy io no nameno ny tabataban’izy ireo teo amin’ny tokontanin’ny Fitsarana tao Antsirabe.

Samy gaga sy taitra avokoa ireo olona tonga maro, nanaraka akaiky ity raharaha izay niseho tamina sekoly iray any Mandoto ity. Nahagaga koa fa dia ny anaran’ity tovovavy ity no voatonon’izy ireo nandritra ilay krizy, nefa ity farany toa tsy rototra akory.

Angola Ny Avo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar