Misy raha ao

Ambatofotsy : Roa lahy nazeran’ny môto tany anaty hantsana

Lundi 14 Novembre 2011

Lehilahy roa, 30 sy 37 taona niaraka nitaingina môtô, vao avy novidiana teny Andrefan’Ambohijanahary, ka nandeha namonjy fodiana any Ambatolampy no niharan-doza omaly.

Ilay 37 taona no teo amin’ny familiana ny môtô. Tsy fantatra anefa izay tena nahazo azy ireto, fa avy hatrany dia nanintsy nivarina tany anaty hantsana izy ireo, izay efa ho fito metatra ny halaliny, tokony ho tamin’ny 1 ora sy fahefany tao Ambohitonelina, akaiky an’Ambatofotsy, amin’ny lalam-pirenena fahafito iny.

"Tahaka ny tsy nihinana ny hisatra ka tsy tafajanona intsony ny môtô", hoy ilay nitondra azy. Olona mipetraka akaiky ilay toerana no namonjy sy nitondra azy ireo notsaboina tany amin’ny hôpitaly Hjra, eny Ampefiloha.

Eo am-piandrasana valin’ny fitarafana izy ireo, fa tahaka ny misy tapaka ny felatanan’ilay nitondra ny môtô, amin’ny ilany havia. Mandringa, misy marary azey koa ao amin’ny tongony iray.

Ilay faharoa kosa no tena voa mafy fa any amin’ny hazon-damosina no voakasika.
"Tsy mandre na inona na inona intsony ny tapany ambany amin’ny vatany. Maty misy taolana tapaka na tapaka mihitsy ny tsokan-damosina", hoy ny fanazavana nomen’ilay nitondra môtô. Ilay fitaovana kosa voalaza fa potika tanteraka taorian’ny fianjerany tao amin’ilay hantsana.

Barphil Andriantsiferana

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar