Misy raha ao

Ambatondrazaka : Ankizy 11 taona maty nazeran’ny kamiao

Jeudi 16 Juin 2011

Niharam-doza ny kamiao iray ka namono ankizy iray vao 11 taona.

Handeha hamonjy fianarana tao Soalazaina izy no nisavika ilay kamiao avy any Vohitsoa handeha haka fasika any Soalazaina, amin’ny lalana mampitohy an’Anjozorobe sy Ambodirano any Ambatondrazaka.

Tapaka hisatra tampoka ilay kamiao teo amin’ny fidinana, sahabo 500 m tsy ho tody eo amin’ny toerana saika hakany fasika, izay tetezana no mamarana azy. Nifatratra teo amin’ilay tetezana ilay kamiao, avy eo ary nianjera tao anaty rano. Olona fito no naratra tamin’izany, noraofina tao ambany tetezana.

Ny iray tamin’ireo naratra dia zokin’ilay maty ihany. Tsy vitan’ny CSB II ao Soalazaina ny fandraisana an-tanana ireo naratra, ka naterina any amin’ny hopitaly Chrr, any Ambatondrazaka. Noho ny halavirana sy ny haratsin’ny lalana dia efa tamin’ny 4 ora sy sasany izy ireo vao tonga tao amin’ny hopitaly.

Nisahotaka ny dokotera sy ny mpandraharaha ao amin’ny hopitaly Filamatra ao amin’ny faritra ao Ambatondrazaka, nandray azy ireo. Ialanana nenina ao amin’ny toeram-pandidiana ao Ambatondrazaka ilay naratra mafy, izay vaky loha sy tapaka ny tanany.

Nisy tamin’izy ireo koa nivadika ny soroka. Ny sasany tatatataka, toy ny voadidin’ny antsy ny tarehiny.

H.F/B.A

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar