Misy raha ao

Amboaran’ny CAF : Hizara roa ny AS Adema ao Parisy mankany Casablanca

Lundi 25 Avril 2011

Nisava ihany ny ahiahin’ny mpankafy baolina kitra.
Amboaran’ny CAF : Hizara roa ny AS Adema ao Parisy mankany Casablanca

Lasa omaly tamin’ny 8 ora sy sasany tamina fiaramanidina nofain’ny Air Madagascar ny delegasiona malagasy, izay ahitana olona 22, hiatrika ny dingan’ny ampahavalon-dalana mandroso ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF hatao any Maraoka.

Na izany aza anefa dia voatery hizara roa ny delegasiona ao Parisy mankany Casablanca ka ny andiany voalohany misy olona 12 manainga anio amin’ny 7 ora raha ny tolakandro amin’ny 1 ora kosa vao handeha ny andiany faharoa.

Niova tanteraka tsy araka ny lalana tokony ho naleha ny fian’izy ireo, izay tsy handalo an’i Dubai intsony fa tonga dia any Parisy ao amin’ny seranam-piaramanidina Charles De Gaulle. Tamin’ny alalan’ny fanekanelanan’ny Tale jeneralin’ny Telma, izay mpanohana ny ekipa, no nahafahana nahazo an’ireo toerana tao amin’io fiaramanidina io.

Hatory ao ireto delegasiona tsy nahavita « visa de transit » ireto, saingy kosa nanolotra taratasy fiantohana amin’ny fijanonany ao Parisy ny masoivohon’ny fanjakana maraokanina miasa sy monina eto amintsika. Fiara efa nomanin’ny Difaâ El Jadida kosa no hiondranan’izy ireo hamonjy ny faritanin’i Jadida, izay mbola 100 km miala ao Casablanca.

Vitaina ao anatin’ny 45 minitra ihany anefa izany, araka ny nambaran’ny masoivohon’i Maraoka miasa sy monina eto amintsika. Ny alahady amin’ny 6 ora hariva eto amintsika no hotontosaina ao amin’ny kianjan’i El Jadida ny fihaonana eo amin’ity ekipa solontenan’i Madagasikara ity sy ny Difaâ El Jadida.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar