Misy raha ao

Amboaran’ny CAF : Nahena ho 16 ireo mpilalao hoentina

Mercredi 20 Avril 2011

Amboaran’ny CAF : Nahena ho 16 ireo mpilalao hoentina
Tsy fahampian’ny tetibola. Noferana ho mpilalao 16 no hoentin’ny AS Adema hiatrika ny lalao mandroso ho an’ny ampahavalon-dalana ho an’ny amboaran’ny kaonfederasiona.

Mahatratra 4 200 000 ariry ny saran-dalan’ny olona iray hiatrika an’ity lalao ity, ka nahatonga ny Adema hametra ny isan’ireo delegasiona ho any. Hanampy azy ireo ny mpanazatra roa lahy sy ny mpitsabo ary ny filohan’ny klioba.

Ny alarobia ho avy izao no hanainga izy ireo ary hihazo an’i Marseille mialoha ny hamonjen’izy ireo an’i Casablance. « Ekipa goavana no hatrehantsika amin’ity. Ny tsy fahampian’ny hoenti-manana no mahatonga anay hiady mafy amin’ny fiarovana ny voninahitsika.

Farafaharatsiny ady sahala, saingy mila baolina maty any an-tanin’olona no tena ilaina, hoy i Nirina Andrianjoelison na Raniry, mpanazatra ny ekipan’ny seranam-piaramanidina Ivato.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar