Sady trano fatoriana anefa io fivarotana io ka maty tsy tra-drano tao ny lehilahy iray 30 taona. Tovolahy iray 19 taona kosa naratra mafy ka efa naiditra teny amin’ny hopitaly Hjra avy hatrany.
Nieren-doza kosa ny vehivavy iray fanintelony tao an-trano, Raveloharimalala Ernestine, izay anabavin’iry namoy ny ainy.
« Efa nanomboka taitra tamin’ny torimasooko aho no nisy nidona mafy nandrava ny tranonay. Voatsindrin’ilay fiara mihitsy ny anadahiko, izay maty. Ny vadiny anefa mbola any ambanivohitra », hoy ny fitantaran’io vehivavy io.
Voalazan’ny tovolahy iray nanatri-maso ny loza fa saika hisongona taksibe iray an’ny zotra 126 ny mpamily ity taksibe ity no toa tsy nahafehy intsony ny familiana tamin’iny fidinana etsy Amboditsiry hihazo an’Andranobevava iny.
« Avy dia nandositra ny saofera sy ny mpanampiny taorian’ny loza », hoy kosa i Lanto, mponina eny amin’ny manodidina.
« Nampalahelo fa rehefa naka ny fiara koa ry zareo, mety ho ny tompon’ny fiara angamba ireny, dia tsy mba niresaka kely taminay, hijerena izay hanaovana ilay maratra, fa ny niala haingana teto no nahamaika azy », hoy ihany Raveloharimalala Ernestine.
Potika ny zoron’ny trano fivarotan-kena teo an’ilany. Entana maro no potika, na tao an-trano na tety ivelany.
B.A