Misy raha ao

Ambohidratrimo : Dimy mianadahy nanafika fiangonana naiditra am-ponja

Jeudi 22 Septembre 2011

Niakatra teny anivon’ny Fampanaovana omaly ilay fanafihana nitranga teny amin’ny Fiangonana Pentekotista mitambatra, teny Ambohitahara Ambohidratrimo, ny sabotsy alina lasa teo.

Notanana am-ponja avokoa ireo dimy voarohirohy amin’ity raharaha ity. Lehilahy efatra ary vehivavy iray no nalaina am-bavany. « Ny roa tamin’izy ireo dia mpianatra taona faharoa amin’ny lalam-piofanana Fitantanana, eny amin’ny oniversite, eny Ankatso. Ilay vehivavy kosa mpanera, efa mpifanerasera amin’ilay pastera niharan’ny fanafihana », hoy ny olona akaiky ity raharaha ity. Ilay vehivavy no heverin’ny mpanao famotorana fa ilay antsoina hoe Rasta, izay isan’ny nanatanteraka ny fanafihana. Voalaza fa nanapoaka basy intelo mihitsy ireto mpanafika fiangonana teny Ambohidratrimo ireto.

Araka ny fanadihadian’ny Zandarimaria eny Ambohidratrimo dia lasan’ireo jiolahy ny vola Ar 800 000 sy vola vahiny 400 euros tao anaty kitapon’i pastera sy ny poketran’ny vadiny. "Volan-tsakafon’ny mpiofana ho mpitandrina ilay Ar 800 000. Samy niharan’ny famonoana izy mivady tamin’io alina io. Tao anatin’ny fotoana izay niarahan’izy ireo mpiofana ho mpitandrina no tonga nanafika ireo olon-dratsy", hoy ny loharanom-baovao.

Ambaran’ny fanadihadiana ihany fa mety nisarika ireto jiolahy ny nandrenesana fa vao nahazo fanampiana mitentina Ar 20 tapitrisa ity fiangonana ity.

B.A
N.R.


1.Posté par Michou Rabenjamalala. le 20/04/2016 17:15 (depuis mobile)
tsy rariny

2.Posté par SATURNIN le 08/09/2017 19:34 (depuis mobile)
Tsy Mety

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar