Misy raha ao

Ambohimandroso : Mpamily taksiborosy maty voatsindrin’ny fiara nentiny

Samedi 11 Juin 2011

Namono olona indray ny tetezam-bato miditra ny tanànan’Ambohimandroso amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny.

Maty voatsindrin’ny taksiborosy nentiny ny mpamily, Rakotoniaina Mamitiana Eugène, 30 taona, noho ilay fiara feno nianjera tao ambanin’io tetezana io, afak’omaly tokony ho tamin’ny 10 ora alina.

Olona dimy kosa, nentin’ilay taksiborosy, no naratra ary nentina notsaboina haingana tao amin’ny hopitalin’Antanifotsy.

Taksiborosy efatra no nifanarakaraka tamin’io alina io. Niainga avy any Fandriana, handeha ho an’ny Ambato-Boény. Olona 12 no tao anatiny, ka zaza ny efatra. « Feno zavona be teo amin’ny fidirana io tetezana io ka tsy nifankahitana.

Efa akaiky kely vao hita fa nisy taksiborosy iray efa tao anaty tetezana ? nivily naka ny sisiny havanana ny mpamily kinanjo nidona tamin’ilay boribory miloko fotsy sy mena amin’ny sisin’ny arabe.

Avy dia voasarika niankavanana ka nifatratra tao ambany tetezana izahay », hoy Razafindraibe Jean Baptiste, nipetraka teo anilan’ny mpamily, sady tompon’ny fiara rahateo. « Ara-dalàna tsara ny fiara.

Natevina loatra ny zavona ka tsy nahitana lavitra na dia nampiasa ireo jiro efatra fitsilovana amin’ny zavona aza », hoy ihany izy. Ilay fiara nifanena, voalaza fa tafajanona tao anaty tetezana.

Nandrasana tao amin’ny tranom-patin’ny CSB II ao Ambohimandroso ny vatana mangatsiakan’ilay mpamily, izay voadona tamin’ny loha sy tapaka tanana.

« Saika handositra hiala angamba ka voatsindrin’ny fiara nivadika ilay mpamily ary raha tsy tafarina ilay fiara tsy azo nosikirina tao izy », hoy ny adjidà Rajaonarivony Heriniaina, lehiben’ny tobin’ny zandary ao Ambohimandroso.

Barphil Andriantsiferanarivo


N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar