Misy raha ao

Analakely : Polisy lasibatry ny mpangarom-paosy

Samedi 18 Juin 2011

Na ny polisy aza dia mety hiharan’ny harom-paosy ihany koa.

Teo am-pividianana akanjo iny ity mpitandro ny filaminana iray no ankona rehefa andeha haka ny vola tao am-paosiny, fa tsy tao intsony ilay vola. Ireo olona teo akaikiny no nahiany naka ilay vola ka niteraka savorovoro kely ny zava-nitranga.

Tetsy Analakely amin’iny lalana hihazo an’i Tsaralalàna iny no nisehoan’izany, omaly. « Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva no tonga teto aminay ilay polisy nividy ambonin’akanjo. Efa nividy iray izy 9 500 ariary ny vidiny.

Efa nanome vola izy tamin’io saingy hanampy iray no nilaza fa tsy nisy vola intsony tao am-paosiny. Teo no nahatonga ny olana satria nolazainy fa izahay mpivarotra no naka ny volany », hoy ilay vehivavy nividianan’ilay polisy akanjo.

Minitra vitsy taorian’izay dia lasa ilay polisy ary tonga teo an-toerana ny polisy avy etsy Analakely. « Kasain’ireo polisy entina any amin’ny kaomisaria izahay, saingy tsy andeha ho any. Tsy vola iray alina mihitsy no hanimbanay ny asanay eto isan’andro », hoy ilay mpivarotra.

« Fanadihadiana no atao aminao any fa tsy misy hanagadra anao akory », hoy kosa ireo polisy tonga teny an-toerana tamin’ilay ramatoa mpivarotra. Nitarika fitangoronana naharitra sy tabataba teny an-toerana ity tranga ity.

Tsy fantatra mazava kosa izay vola tao am-paosin’ilay polisy voalaza fa niharan’ny harom-paosy.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar