Misy raha ao

Andrefan’Ambohijanahary : Mpibata entana 11 nampidirina am-ponja

Mardi 22 Novembre 2011

Nanantena vola be tampoka. Trano fitoeran’entana an’ny Sinoa iray no nisy namaky teny Andrefan’Ambohijanahary manakaiky ny Taobavy, ny sabotsy maraina tamin’ny 1 ora. Lehilahy iray niaraka tamin’ny mpiambina roa ilay trano no nikotrika ilay fanafihana.

Tratra teo am-pamakiana ilay trano mihitsy ny olona 15.

Tamin’ny famotorana ireo olona voasambotra ireo anefa dia nilaza ny 11 tamin’izy ireo fa « nokaramaina hibata entana fa tsy mahalala na inona na inona ». Ny teo anivon’ny mpanao famotorana tetsy andaniny dia nanambara fa « raisina ho mpiray tsikombakomba izy ireo raha ny zava-nitranga no jerena ».

Ny tompon’ilay kamiao nitondrana ireo entana ihany koa dia nilaza ho tsy nahafantatra ny zavatra nomanina satria dia natory tany amin’ny mpamily ilay fiara tamin’io alina io.

« Nitondran’izy ireo kamiao iray teo amin’ilay trano fitoeran’entana. Nisy nampandre anefa ilay sinoa tompon’ireo entana ka ity farany no niantso polisy. Tamin’io fotoana io dia tsy lavitra teo ny polisy ka vetivety dia tonga ary ara-potoana rahateo ilay antso. Noraisim-potsiny izy rehetra », hoy ny kaomisera Randrianjafy Jacques Nicolas, lehiben’ny polisin’ny « Sûreté urbaine de Tananarive » (Sut).
Entana toy ny carreaux, tuyau, vy fanaovana tetezana, vernis sy ny maro hafa no efa tafiditra tao anatin’ilay kamiao tamin’ny fotoana nahatrarana azy ireo. Mitetim-bidy hatramin’ny 14 tapitrisa ariary izy ireo. Eny Ambalavao Isotry no nokasaina hitondrana izany.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar