Misy raha ao

Ankadilalampotsy : Mpampianatra nanolana ankizy 19

Mercredi 2 Mars 2011

Ray aman-drenina ankizy 19, no tonga teny amin’ny Fitsarana nitory mpampianatra iray izay nanao fihetsika mamoafady tamin’ny zanak’izy ireo.

Ny efatra tamin’ireo zaza no voalaza fa naolana. Niaiky ny zava-nisy ilay mpampianatra voampanga.
« Fiaraha-miasan’ny sekoly tsy miankina iray amin’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona no nahafantarana ny zava-nisy. Tonga tao amin’ilay sekoly iray teny Ankadilalampotsy ny solontenan’ilay fikambanana nanontany ireo ankizy, eo anelanelan’ny 10-14 taona, izay karazana herisetra mihatra amin’izy ireo. An-tsoratra no nanaovana ny valiny ka hatairana ny an’ireo mpanontany sy ny tompon’andraikitry ny sekoly raha nahita ny valin-tenin’ireo ankizy milaza fa naolan-dramose izy ireo », hoy ny iray tamin’ireo ray aman-dreny, omaly teny amin’ny Fitsarana.

Mpampianatra taranja Frantsay ilay voampanga ary manambady aman-janaka. 35 taona izy. Niaiky ny heloka vitany izy tamin’ny famotorana ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar