Misy raha ao

Ankadimbahoaka : Raim-piankaviana maty teny an-dalana

Samedi 28 Mai 2011

Maty teny an-dalana, tsy tody tany an-trano ny lehilahy iray 36 taona, Randrianandrasana Lalaina Eric Sylvain...


...raha avy nentina tany amin’ny mpitsabo nentim-paharazana iray teny Antsimondrano teny. « Rehefa avy nozahan’ilay mpitsabo ny anadahiko dia nasaina nisotro tambavy roa litatra.

Nanomboka nandoa tsy nijanona izy vao vita izay. Nangovitra be izy, ka vao teo Ankadimbahoaka dia tsy tana intsony ny ainy », hoy Raveloarisoa Miora, zanak’olona mpiray tampo aminy.

« Nilaza ilay mpitsabo fa handeha amin’ny fandoavany voan-kanina namosavian’olona azy, kanefa maty ihany izy », hoy ihany ity anabaviny. Aretina maromaro toy ny aretim-po, vavony, diabeta sy rano miandrona ao amin’ny lamosina no voalaza fa efa nikiky azy tao anatin’ny telo taona.

Namela mananotena sy kamboty telo any Toamasina, izay toerana nonenany sy niasany, ity raim-pianakaviana ity izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar