Misy raha ao

Ankorondrano : Lehilahy maty nofaohan’ny fiara

Mercredi 15 Juin 2011

Namono olona ny lalana vao avy nohavaozina eny Ankorondrano, ny sabotsy 11 jona teo, tamin’ny 8 ora alina.

Lehilahy nanapa-dalana tao anatin’ny faritra fiampitan’ny mpandeha an-tongotra teo akaikin’ny tobin-dasantsy Galana no nofaohan’ny fiara somary nirimorimo, ka tsy tafajanona. Maty avy hatrany teo no ho eo ilay lehilahy voadona.

Notanan’ny polisy natao famotorana, any amin’ny « violon » ilay mpamily. Tsy mbola nahenoam-peo kosa ny avy amin’ny fiankavian’ny niharam-boina.

Mbola eo am-panaovana famotorana mikasika ity raharaha ity ireo mpitandro ny filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana.

B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar