"Nisy lehilahy iray hitako nitsoaka no sady saika hijapy môtôn’olona mandeha. Nitifitra tamin’ny basy io lehilahy io, saingy namaly tifitra ihany koa ny polisy ka lavo izy", hoy kosa ny lehilahy iray hafa isan’ireo teny an-toerana ihany koa.
"Naharay antso ny “Groupe d’intervention rapide“ (Gir) tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany fa misy olona mivorivory sady mitam-basy eny amin’ny sisin-tamboho eny Ankorondrano akaikin’ny “Henri Fraise“. Rehefa nidina teny an-toerana ny polisy dia mailo ireo fito lahy ka namoaka basy ny roa hitifitra. Lavon’ny polisy taorian’ny fifampitifirana i “Magnifique“, “Beloha“ ary Noelison Vincent de Paul", hoy ny tatitry ny polisim-pirenena. Ireo roa lahy voalohany dia voalaza fa « isan’ireo nanafika Sinoa vahiny teny amin’ny Espace Salohy teny Andoharanofotsy ary nahaverezana 2 400 tapitrisa ariary tamin’ny taon-dasa »,raha ny filazan’ny polisy ihany.
Nambara ihany koa fa isan’ireo nanafika mpanam-bola tany Foulpointe tamin’ny fotoanan’ny “THB tour“ ka nahaverezana 9 000 tapitrisa ariary, izy ireo.
Faralala