Misy raha ao

Anosivavaka : Tovovavy 15 taona maty nofaohin’ny fiara

Mardi 7 Juin 2011

Tankina tsy nahitana teny firy ny fianakaviana iray eny Anosivavaka, ny zoma teo.

Tsy tana intsony ny ain’ny zanany vavy 15 taona, izay naratra tamin’ny lozam-pifamoivoizana niseho ny alakamisy tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Mirahavavy izy ireo no nofaohin’ny fiara ka nipitika tany an-tanimbary mihitsy tamin’io fotoana io.

« Olona sendra nandalo no nanontany anay, ka rehefa nandeha nijery teny an-toerana dia hay tena ny zanakany tokoa no sendra ny loza », hoy ny nenitoany, vonton’alahelo.

Noezahina nialana nenina teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Adrianavalona ihany ilay zokiny izay tena voa mafy teo amin’ny lohany, saingy tsy nisy azo natao intsony.
« Olona avy eto amin’ny fokotaninay ihany no nitondra ilay fiara nandona.

Efa tonga tety tokoa ny solontenan’ny polisy nanao fanadihadiana », hoy ihany ny solontena iray avy amin’ny fianakaviana. Ilay zazakely zandriny vao telo taona kosa, mba nieren-doza fa tsy naratra firy. Omaly alahady no nandevenana ny vatana mangatsiakan’ilay maty.

B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar