Misy raha ao

Antananarivo : Fiaran’ny zotra 172 nivadika teny Soanierana

Lundi 22 Août 2011

Antananarivo : Fiaran’ny zotra 172 nivadika teny Soanierana
Mitohy ny tsy fitandremana sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpanao fitaterana iombonana eto an-drenivohitra.

Fiara mpitatitra zotra 172, mihazo an’Andoharanofotsy sy 67ha indray, no nivadika teny Soanierana akaikin’ny Gastro Pizza, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Mpandeha 6 no naratra ka nentina teny amin’ny HJRA avokoa.

« Vokatry ny fandehanana mafy no niteraka ny loza », hoy ny nanatri-maso. Nandray andraikitra avy hatrany ny Kaominina Antananarivo renivohitra, izay tsy nitaza-maso fotsiny intsony ny filalaovana ain’olona toy izao. « Vao ny alakamisy 18 aogositra no nisy ny fihaonana sy fanentanana nataon’ny CUA tamin’ireo kaoperativa sy mpamily rehetra mandalo an’Andoharanofotsy sy 67ha, izay niresahana indrindra ny tranga toy izao », hoy i Rabearisoa Alexandre, talen’ny kabinetran’ny CUA.

Naiditra « fourrière » ilay fiara.notsoahana ny taratasy fahafahany miasa. « hanohy ny fampiofanana atao amin’ireo kaoperativa sy mpitatitra ny CUA amin’ny alatsinainy 22 jolay sy talata 23 jolay ho avy izao, hisorohana ny faharatrana sy ny fahaverezana ain’olona, hifehezana ny gaboraraka », hoy ny talen’ny kabinetran’ny CUA.

Barphil Andriantsifer
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar