Misy raha ao

Antandrokomby Anosizato : Tratra ilay raikely namono zana-bady

Samedi 16 Juillet 2011

Tratra omaly alina teny Antandrokomby-Anosizato Andrefana ilay raikely, ahiahiana ho namono an’i Heritiana , zana-badiny, vao 9 taona teny Ampitatafika.

Tsy natory Razafimamy Ferdinand, raiben’i Heritiana, ny alarobia alina tamin’ity raharaha nahafaty ny zafikeliny ity. Niantso azy an-telefaonina ny zanany lahy tokony tamin’ny 10 ora alina fa nosamborin’ny fokonolona sy quartier mobile eny Antandrokomby-Anosizato Andrefana (misy ny trano fonenany) ilay raikely, ka tokony ho eny haingana izy ireo fa mitady handositra izy. Ny mpifanila vodirindrina, izay efa mahalala ny fandehan’ny raharaha no nahita ilay raikely niverina, nitady izay hanokafana ny tranony.

Efa novain’ny fianakaviana anefa ny « cadenas » ka nodorany tami’ny « briquet ». ny lelafo nandorany azy no nisintona ny mason’ny olona. Niantso mangingiana ny fokonolona ilay mpifanila vodirindrina ka nohodidinin’izy ireo ny trano ary voasambotra ilay lehilahy. « Mbola nitady hevitra handosirana ihany izy, fa tsy navelan’ny olona nihetsika. Milaza ho tsy namono ilay zaza izy, ka saika novonoin’ny olona.

Nantsoina ny zandary eny Fenoarivo ka tany no nolazainy fa napetrany amin’izany Marie eny Tanjombato izany Ikalaneny, ilay faravavy nentiny nandositra niaraka taminy », hoy Razafimamy Ferdinand. Nentin’ny zandary teny Tanjombato nitady ilay zaza omaly ity lehilahy voasambotra, fa tsy mbola hita, hatramin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.
Any Ambalavao Tsienimparihy no handevenana an’i Heritiana kely anio zoma.

Barphil Andriantsiferanarivo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar