Misy raha ao

Antohomadinika Antaniavo : Mpilalao rugby maty voadona teo amin’ny hoza-katony

Vendredi 27 Janvier 2012

Misaona ny rugby Malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny alahady teo ary efa nalevina omly any Carion ny iray amin’ireo kintan’ny rugby, Ramiadanirna Jean Christian Yves na koa Roplanina, 36 taona.

Mpilalao nitana ny toeran’ny 3e ligne tao amin’ny 3AM (Antohomadinika avaratra Antaniavo milalao) izy ary lasa mpilalaon’ny Fifita Anosivavaka tamin’izao farany izao.
« Nisy fiaraha-mikorana voalohan’ny taona nomanin’ny Fifita, ny 15 janoary teo teny Vontovorona, narahina lalao nifantenana izay mpilalao handray anjara amin’ny fihaonana iray famaranana hatao any Mahajanga. Sady nilalao tamin’ny diviziona voalohany koa tamin’ny diviziona faharoa na efa reraka aza. Tao anatin’ny « mélé » iray, dia voadona mafy ny hozatra lehibe iray tao amin’ny hatony ka nianjera, nihohka sy voatsindry tamin’ny tany izy », hoy i Rakotonirina Johnny Alphonse, zokiny lahimatoa.

Nanomboka teo, dia tsy nandre na inona na inona ireo ratsam-batany na dia mbola afaka miresaka tsara aza izy. « novonjena teny amin’ny hopitaly, kanefa vao mainka nihombo ny aretina rehefa maizina ny andro. Nialana nenina tany amin’ny mpanotra ny zoma hatramin’ny alahady. Otra iray no natao taminy saingy tsy nahatana ny ainy izany tamin’ny alahady », hoy ihany ny zokiny.

« anisan’ny mpilalao mahay i Yves. Efa nitondra omby mifahy ho an’Antaniavo ny ekipany 3AM », hoy i Razafimbelona Raymond, sefo fokotany ao Antohomadinika avaratra Antaniavo.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar