Misy raha ao

Antsirabe : Fiara "Sprinter" nivadika, olona 28 naratra

Vendredi 4 Novembre 2011

Olona roa no maratra mafy ary atahorana ny ainy amin’izao fotoana izao vokatry ny lozam-piarakodia tany Ambatomainty- Tsaravavaka, kaominina Andranomanelatra- Antsirabe II.

Ny iray amin’ireo izay renim-pianakaviana manodidina ny 70 taona dia tsy mahatsiaro tena mihintsy hatramin’ny fotoananitrangan’ny loza ka hatramin’ny omaly hariva.vadina solombavambahoaka teo aloha ity renim-pianakaviana ity.

"Tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro no nisehoan’ny loza/ nitondra ireo mpikambana mpiara-mamaky ny Baiboly avy nanao fihaonana tany Antsirabe ilay fiara « Mercedes Sprinter » ary hitodi-doha hody aty an-drenivohitra no izao tra-doza izao. Avy ny orana ka nalama ny lalana. Somary nandeha mafy nisongona fiara kamiao ihany koa ilay fiara niharam-boina. Tsy tafaverin’ny mpamily intsony ny familiana, ka nilatsaka tany an-tanimbary nivadibadika ilay fiara", hoy ny loharanom-baovao avy any amin’ny zandary.

30 mahery ny mpandeha tao anatin’ity fiara ity. "Ny 15 tamin’ireo no tena naratra be. Ny 13 naratra somary maivamaivana ihany", hoy ihany ilay loharanom-baovao.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar