Misy raha ao

Antsirabe : Kista 25 kg no nalàna tao an-kibon’ilay ramatoa

Vendredi 29 Avril 2011

Vehivavy iray avy any Miandrivazo I Mija nisy ity kista milanja hatrany amin’ny 25.5 kg ity. Efa 16 taona no nisian’ny fivontosana tao amin’ny kibony, araka ny fitantarany.

Noho izy somary be vatana anefa dia tsy niraharaha loatra ilay fivontosana no sady tsy dia hita loatra ihany koa ilay izy. Tao anatin’ny dimy taona anefa izay no nihanahia izy ka nanomboka hita ilay kibony.
“nihevitra aho fa aretina tsy azo tsaboina amin’ny dokotera izy io, ka tany amin’ny fitsaboana netim-paharazana foana aho no nandeha tsy nahitam-bokatra anefa izany nandritra ny fotoana ela ka izao tapa-kevitra hanatona hopitaly izao ny fianakaviako”, hoy izy.

Niha nihombo ihany koa ilay aretina ary niha reraka hatrany ity vehivavy izay mbola tsy niteraka ity. Tapa-kevitra ny havany fa hitondra azy ao amin’ny hopitaly Loterana ao Andranomadio Antsirabe. “Tamin’ny fizahana natao no nahalalana fa irony kista amin’ny tranon-jaza irony no tao anatin’ny kibon’I Mija”, hoy ireo havany mitantara.

Ny zoma 22 avrily teo no natao ny fandidiana azy ka araka ny filazan’ny Dr Sahalanirina Harsson, izay niandraikitra ny fandidiana azy dia “tsy misy ahiana intsony ny fahasalaman’ity vehivavy ity amin’izao fotoana izao, no sady efa mianatra mandeha ihany koa izy”. Mbola mitohy kosa ny fanaraha-maso azy.

Angola Ny Avo/ Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar