Misy raha ao

Antsirabe : Nanjifa ny vola 100 000 000 ariary tao Tsarasaotra

Jeudi 15 Septembre 2011

Tratran’ny fanafihana mitam-piadiana ny mpitondra ny volan’ny mpamongady iray saika haterina tao amin’ny banky BOA tao Tsarasaotra Antsirabe, omaly tolakandro.

Vola mitentina Ar 100 000 000 no lasan’ireo jiolahy.

Efa-dahy nandeha tamin’ny minibus miloko mena iray no nitondra vola tao anaty gony roa. Ny gony iray naterina tao amin’ny banky BNI, tsy naninona fa voarotsaka araka ny tokony ho izy. Ny faharoa kosa, tonga dia notsenain’ny mpanafika telo lahy, samy mitam-basy. Ny iray nandratra ny mpiambina ao amin’ny banky. Nivonto mihitsy ny mason’io vokatry ny vono nahazo azy. Nisy iray koa tonga dia nanambana basy ny mpamily ilay minibus sy nanala ny lakile, tsy hahafahana manenjika an-dry zareo.

Môtô Scooter roa no nitsoahan’izy efa-dahy avy eo. Tovolahy manodidina ny 20 taona eo izy ireo, samy tsy nisy nanao saron-tava, raha ny fitantaran’ny olona nanatri-maso ny fanafihana. Nampian’ity farany fa nisy mpiambina hafa maromaro sy zandary roa ihany teny ampitan’ny sisin-dalana fa tsy nisy afaka nanao na inona na inona teo anatrehan’ny basy poleta tena izy nentin’ireo jiolahy.
Tonga dia nandray andraikitra nanara-dia ireo jiolahy ny polisy niasa teo akaiky teo, saingy tsy hita ny nanjavonan’ireo mpanafika.

Angola Ny Avo/B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar