Misy raha ao

Antsirabe : Rongony 400 kilao sarona

Vendredi 10 Décembre 2010

Antsirabe : Rongony 400 kilao sarona

Rongony manodidina ny 400 kilao, notsinjaraina tao anaty baoritra sy gony fasiana « fripperie » ireny, no indray saron’ny polisim-pirenena tao Antsirabe, ny alatsinainy lasa teo. Nisava tokantrano vitsivitsy tao Antanety-Vinaninkarena ny polisy rehefa nahazo vaovao, ka olona telo no voasambotra taorian’izay. Vahivavy iray no isan’ny tra-tehaka niaraka tamin’ireo rongony tratra tao. Voarohieohy ihany koa ny tompon’ireo trano fitahirizana ireo zava-mahadomelina ire, izay voalaza fa mahafantatra tsara ny fisiany tao.
Niaiky ny iray tamin’ireo tratra fa mpamongady rongony ao Antsirabe izy ary azy ireo avokoa ny entana tratra. Avy any Betroka ireo rongony ireo, saingy tsy nisy nahatsikaritra ny fisiany tamin’ireo fiara nitondrana azy avokoa ny mpitandro ny filaminana nolalovany.
Nodorana ampahibemaso ireto rongony ireto. Noho ny hamaroany, izay tsy tafiditra tao anaty fiara tsy mataho-dalana iray anefa, ka atahorana mety hahakasika ny fahasalaman’ny manodidina, dia voatery nentina nisintaka tany amin’ny « Parc de l’est » no nanaovana ny fandorana.
Ginette Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar