Misy raha ao

Antsiranana : 2 maty nandritra ny fetin’ny faran’ny taona

Jeudi 6 Janvier 2011

Antsiranana : 2 maty nandritra ny fetin’ny faran’ny taona
Filam-baniny say valifaty no namoizana ain’olona roa tao Morafeno tany Antsiranana, ny faran’ny taona 2010. Na dia azo lazaina ho nilamina aza tamin’ny ankapobeny ny fetin’ny faran’ny taona, dia nanamaloka ny tanàna ny nisehoan’ny loza, niainga tao amin’ny tora-pasika Ramena ka nahafaty lehilahy roa, tao anatin’ny 24 ora.


Ilay lehilahy voalohany dia maty noho ny tsatoka antsy nahazo azy teo amin’ny fony. Nentina tany amin’ny hopitaly ihany izy, saingy tsy tana ny ainy. Voalaza fa vokatry ny filam-baniny nataon’ny namany fotsinyizao nahafaty azy izao. Araka ny filazan’ireo nahita dia nangatahan’ity farany zavatra izy ka rehefa nandà ny tsy hanome izay nangatahany, avy hatrany dia notsindroniny tamin’ny antsy.
Ny ampitson’io ihany dia noenjehan’ny fokonolona sy ny fianakavian’ny maty ilay nahavanon-doza. Nitsoaka ny hatezeram-bahoaka ihany anefa izy ary tafakatra hatreny ambony tafon-trano iray misy rihana roa. Rehefa nahatazana ireo mpitandro ny filaminana izay tonga nanatanteraka ny asany kosa ity lehilahy dia avy hatrany dia nitsambikina namono tena. Ny lohany no nandeha aloha ary maty tsy tra-drano teo koa izy.
Taorian’izay dia mangataka ny mponina ny tokony hanaovan’ny mpitandro ny filaminana laharam-pahamehana ny famongarana ireo izay mitondra antsy mandehandeha, satria lasa lamaody iz io tato ho ato, indrindra taorian’ireny firongatry ny setrasetran’ny zaza maditra ireny. Sao sanatria ho lasa « Texas » tanteraka Antsiranana.

Raheriniaina
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar